Surah An-Nisa ( The Women ) - Aya 94

Surah An-Nisa ( The Women ) - Malagasy - Aya 94 Aya count 176

يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُوٓا۟ إِذَا ضَرَبْتُمْ فِى سَبِيلِ ٱللَّهِ فَتَبَيَّنُوا۟ وَلَا تَقُولُوا۟ لِمَنْ أَلْقَىٰٓ إِلَيْكُمُ ٱلسَّلَٰمَ لَسْتَ مُؤْمِنًۭا تَبْتَغُونَ عَرَضَ ٱلْحَيَوٰةِ ٱلدُّنْيَا فَعِندَ ٱللَّهِ مَغَانِمُ كَثِيرَةٌۭ ۚ كَذَٰلِكَ كُنتُم مِّن قَبْلُ فَمَنَّ ٱللَّهُ عَلَيْكُمْ فَتَبَيَّنُوٓا۟ ۚ إِنَّ ٱللَّهَ كَانَ بِمَا تَعْمَلُونَ خَبِيرًۭا ﴿٩٤﴾
Ô ianareo izay nino ! Raha mivoaka amin’ny làlan’I Allah ianareo, dia aoka hanadihady tsara, ary tsy hiteny ianareo amin’ny olona izay miarahaba anareo hoe : “Tsy mpino ianao”. Mikatsaka ny tombontsoa eto an-tany ianareo. Kanefa eo anatrehan’I Allah no misy ny harena babo an’ady maro. Tahaka izany ianareo teo aloha, nefa nomen’I Allah tombony, ka aoka mba hanadihady tsara. Ary tena marina, fa I Allah dia mahafantatra tsara izay ataonareo.
Share