سَتَجِدُونَ ءَاخَرِينَ يُرِيدُونَ أَن يَأْمَنُوكُمْ وَيَأْمَنُوا۟ قَوْمَهُمْ كُلَّ مَا رُدُّوٓا۟ إِلَى ٱلْفِتْنَةِ أُرْكِسُوا۟ فِيهَا ۚ فَإِن لَّمْ يَعْتَزِلُوكُمْ وَيُلْقُوٓا۟ إِلَيْكُمُ ٱلسَّلَمَ وَيَكُفُّوٓا۟ أَيْدِيَهُمْ فَخُذُوهُمْ وَٱقْتُلُوهُمْ حَيْثُ ثَقِفْتُمُوهُمْ ۚ وَأُو۟لَٰٓئِكُمْ جَعَلْنَا لَكُمْ عَلَيْهِمْ سُلْطَٰنًۭا مُّبِينًۭا ﴿٩١﴾
Ho hitanareo koa fa, misy ny sasany mitady hahazo filaminan-tsaina aminareo sy hahazo filaminan-tsaina amin’ny foko niaviany. Nefa isak'izy ireo averina amin’ny fikorontanana, tonga dia mirotsaka avy hatrany amin’izany izy ireo. Fa raha tsy mihataka aminareo kosa izy ireo, sy tsy manolotra fandriam-pahalemana ho anareo, ary tsy mampijanona ny tanany hikasika anareo, dia raiso ka vonoinareo izy ireo, n’aiza n’aiza hahatraranareo azy ireo. Amin’izy ireny dia efa nomenay fahefana mazava tanteraka ianareo.