وَلْيَخْشَ ٱلَّذِينَ لَوْ تَرَكُوا۟ مِنْ خَلْفِهِمْ ذُرِّيَّةًۭ ضِعَٰفًا خَافُوا۟ عَلَيْهِمْ فَلْيَتَّقُوا۟ ٱللَّهَ وَلْيَقُولُوا۟ قَوْلًۭا سَدِيدًا ﴿٩﴾
Aoka mba hanana fatahorana izy ireo, raha namela taranaka malemy [63] aty aoriana, ka hatahotra izy ireo momba ny ho avin'izy ireo. Ary aoka izy ireo hatahotra Allah,ary hiteny teny marina.