وَمَن يُطِعِ ٱللَّهَ وَٱلرَّسُولَ فَأُو۟لَٰٓئِكَ مَعَ ٱلَّذِينَ أَنْعَمَ ٱللَّهُ عَلَيْهِم مِّنَ ٱلنَّبِيِّۦنَ وَٱلصِّدِّيقِينَ وَٱلشُّهَدَآءِ وَٱلصَّٰلِحِينَ ۚ وَحَسُنَ أُو۟لَٰٓئِكَ رَفِيقًۭا ﴿٦٩﴾
Ary izay mankatò an’I Allah sy ny Iraka dia izy ireny no hiaraka amin’ireo izay nomen’I Allah fahasoavana : ireo Mpaminany, ireo olona tena marina, ireo maritiora ary ireo mpanao asa soa. Ary namana tsara hiarahana tokoa izy ireny !