وَلَيْسَتِ ٱلتَّوْبَةُ لِلَّذِينَ يَعْمَلُونَ ٱلسَّيِّـَٔاتِ حَتَّىٰٓ إِذَا حَضَرَ أَحَدَهُمُ ٱلْمَوْتُ قَالَ إِنِّى تُبْتُ ٱلْـَٰٔنَ وَلَا ٱلَّذِينَ يَمُوتُونَ وَهُمْ كُفَّارٌ ۚ أُو۟لَٰٓئِكَ أَعْتَدْنَا لَهُمْ عَذَابًا أَلِيمًۭا ﴿١٨﴾
Fa tsy misy fibebahana akory ho an’ireo izay manao ireo asa ratsy mandra-pahatongavan’ny fahafatesana eo amin’iray amin’izy ireo, ka hiteny manao hoe : “ Tena mibebaka Aho izao ”, ary koa tsy ho an’ireo izay maty nefa tsy nino, Izy ireny dia efa nomaninay ho azy ireny ny famaizana mamirifiry.