Surah An-Nisa ( The Women ) - Aya 12

Surah An-Nisa ( The Women ) - Malagasy - Aya 12 Aya count 176

۞ وَلَكُمْ نِصْفُ مَا تَرَكَ أَزْوَٰجُكُمْ إِن لَّمْ يَكُن لَّهُنَّ وَلَدٌۭ ۚ فَإِن كَانَ لَهُنَّ وَلَدٌۭ فَلَكُمُ ٱلرُّبُعُ مِمَّا تَرَكْنَ ۚ مِنۢ بَعْدِ وَصِيَّةٍۢ يُوصِينَ بِهَآ أَوْ دَيْنٍۢ ۚ وَلَهُنَّ ٱلرُّبُعُ مِمَّا تَرَكْتُمْ إِن لَّمْ يَكُن لَّكُمْ وَلَدٌۭ ۚ فَإِن كَانَ لَكُمْ وَلَدٌۭ فَلَهُنَّ ٱلثُّمُنُ مِمَّا تَرَكْتُم ۚ مِّنۢ بَعْدِ وَصِيَّةٍۢ تُوصُونَ بِهَآ أَوْ دَيْنٍۢ ۗ وَإِن كَانَ رَجُلٌۭ يُورَثُ كَلَٰلَةً أَوِ ٱمْرَأَةٌۭ وَلَهُۥٓ أَخٌ أَوْ أُخْتٌۭ فَلِكُلِّ وَٰحِدٍۢ مِّنْهُمَا ٱلسُّدُسُ ۚ فَإِن كَانُوٓا۟ أَكْثَرَ مِن ذَٰلِكَ فَهُمْ شُرَكَآءُ فِى ٱلثُّلُثِ ۚ مِنۢ بَعْدِ وَصِيَّةٍۢ يُوصَىٰ بِهَآ أَوْ دَيْنٍ غَيْرَ مُضَآرٍّۢ ۚ وَصِيَّةًۭ مِّنَ ٱللَّهِ ۗ وَٱللَّهُ عَلِيمٌ حَلِيمٌۭ ﴿١٢﴾
Ary ho Anareo ny antsasany amin’ny lova navelan‘ireo Vadinareo vavy, raha tsy manan-janaka izy ireo. Fa raha manan-janaka kosa izy ireo, dia ho Anareo ny ampahefany amin’ny lova navelany, aorian’ny fanatanterahan’izy ireo ny didim-pananana na ny fanefana ny trosany. Ary ho an’ireo Vadinareo vavy, ny ampahefany amin’ny lova navelanareo, raha tsy manan-janaka Ianareo. Fa raha manan-janaka Ianareo, dia ny ampahavalony amin’ny lova Navelanareo no ho Azy, aorian’ny fanatanterahana ny didim-pananana na ny fandoavana ny trosany. Ary ireo lehilahy na vehivavy tsy manana mpandova mivantana, ka nefa manan-drahalahy na anabavy, mahazo ny ampahenina ny tsirairay amin’izy Roa. Fa raha maro mihoatra izany izy ireo, dia mitambatra ao anaty ampahatelony izy ireo, aorian’ny fanatanterahana ny didim-pananana navelany na fandoavana ny trosany, tsy misy famelezana na amin’iza na amin’iza. Izany dia didy hentitra avy amin’i Allah. Ary i Allah dia mahalala ny zava-drehetra, ary tena tsara fanahy.
Share