وَمَن يُشَاقِقِ ٱلرَّسُولَ مِنۢ بَعْدِ مَا تَبَيَّنَ لَهُ ٱلْهُدَىٰ وَيَتَّبِعْ غَيْرَ سَبِيلِ ٱلْمُؤْمِنِينَ نُوَلِّهِۦ مَا تَوَلَّىٰ وَنُصْلِهِۦ جَهَنَّمَ ۖ وَسَآءَتْ مَصِيرًا ﴿١١٥﴾
Ary izay misaraka amin’ilay Iraka, taorian’ny nisehoan’ny lala-marina taminy, ka manaraka lalana hafa ankoatra ny lalan’ireo mpino, dia avelanay izy manaraka izany, ary havarinay any amin’ny afobe izy. Ary ratsy dia ratsy izany fiafarana izany !