Surah Fatir ( The Orignator )

Surah Fatir ( The Orignator ) - Malagasy Aya count 45

Izay omen’i Allah ny olona noho ny Famindram-pony, dia tsy misy manana fahefana hisakana izany. Fa raha misakana izany kosa Izy, dia tsy misy afaka mamotsotra izany aoriany. Fa Izy no Ilay Tsitoha, Ilay be Fahendrena.
Ô ry olombelona ! Tsarovy ny soa nataon’i Allah taminareo, misy ve ankoatra an’i Allah, mpahary manome anjaram-pivelomana ho anareo, avy any an-danitra sy ety an-tany ? Tsy misy zanahary hafa, afa-tsy Izy ! Ka nahoana àry ianareo no mivily amin’izany (fahamarinana) ?
Ary raha lazain’izy ireo ho mpandainga ianao, dia efa nolazaina ho mpandainga ihany koa ireo Iraka talohanao. Fa any amin’i Allah ihany anefa no hamerenana ny raharaha rehetra.
Ry olombelona! Marina ny fampanantenan’i Allah. Ka aza avela hamitaka anareo ny fiainana an-tany, ary aoka tsy hahavoafitaka anareo ihany koa ilay mpamitaka mikasika an’i Allah.
Dia ahoana ! Izay nohatsaraina teo imasony ny asa ratsy nataony, ka noheveriny ho tsara? Nefa mamery làlana izay tiany ho amin’izany i Allah, ary mitari-dàlana izay tiany ho tarihina ihany koa. Aoka tsy hanenina noho ny amin’izy ireo ny tenanao. Fa Mahafantatra tsara izay ataon’izy ireo i Allah.
Ataony misosoka amin’ny andro ny alina, ary ny andro ataony misosoka amin’ny alina. Nofeheziny ny masoandro sy ny volana, samy mandeha amin’ny tanjony voafaritra avy izy ireo. Izany Allah Ilay Tomponareo, Azy ny fanjakana, fa ireo izay antsoinareo ankoatrany kosa, dia tsy tompon’ny voan’antrendry iray akory.
Raha antsoinareo izy ireo, dia tsy handre ny antsonareo akory; ary na mandre aza, dia tsy afaka hamaly anareo. Amin’ny andro fitsanganana, dia ho lavin’izy ireo ny fampitambaranareo azy (amin’i Allah). Tsy misy afaka manome vaovao anao mitovy amin’izay mahafantatra tsara.
Raha sitrany, dia ho naringany ianareo, ka namboatra zava-boahary vaovao indray Izy.
Tsy hisy anefa hizaka ny enta-mavesatry ny hafa. Ary raha misy olona vesaram-pahotana mangataka fanampiana, dia tsy misy olon-kafa hitondra ny fahotany mihitsy, na dia ny havana akaiky aza. Ireo matahotra ny Tompony ihany no ampitandremanao, na dia tsy mahita Azy aza izy ireo, ary manatanteraka ny vavaka soalat. Ary izay midio, dia midio ho an’ny tenany ihany, fa any amin’i Allah no fiafarana.
Nalefanay niaraka tamin’ny fahamarinana ianao, ho mpilaza sy mpampitandrina. Ary tsy nisy vahoaka na iray aza, ka tsy efa nanana mpampitandrina.
Ary raha lazain’izy ireo ho mpandainga ianao, dia efa nilaza ireo Iraka ho mpandainga ihany koa ireo talohan’izy ireo, nefa dia nitondra porofo taminy ireo Irany, ary rakitsoratra sy Boky mpanazava.
Manana fihodirana samihafa ny olombelona, ny biby isan-karazany sy ireo biby fiompy dia manana loko samihafa ihany koa. Ireo manam-pahaizana no tena matahotra an’i Allah amin’ireo mpanompony.Fa Tsitoha sy Mpamela heloka Allah.
mba hanomezan’i Allah azy ireo valisoa feno, sy hanampiany azy ireo amin’ny Fahasoavany. Fa Mpamela heloka Izy, ary Mpankasitraka.
Dia nataonay mpandova ny Boky ireo izay nofidinay tamin’ny mpanomponay. Misy amin’izy ireo no manao ny tsy rariny amin’ny tenany, ao koa ireo izay manao ny antonony, ary ny sasany kosa, noho ny alalana avy amin’i Allah, dia mihoatra ( ny hafa ) noho ny asa soa ataony, izany no fahasoavan-dehibe.
Ary hiteny izy ireo hoe : “ Dera ho an’i Allah, izay nampisinda ny alahelonay. fa Mpamela heloka sy Mpankasitraka tokoa ny Tomponay.
Ary dia hiantsoantso izy ireo hoe: “Tomponay ô! Avoahy izahay, hanao ny tsara, fa tsy tahaka izay nataonay teo aloha”. Tsy efa nomenay fiainana lava moa ianareo mba hieritreretan’izay mieritreritra? Ary tonga teo aminareo ihany koa ny mpampitandrina. Dia andramo àry (ny sazinareo), fa tsy misy famonjena ho an’ireo mpanao ny tsy rariny.
Ary nianiana tamin’i Allah tamim-pianianana hentitra izy ireo, fa raha misy mpampitandrina tonga amin’izy ireo, dia ho voatari-dàlana tsara noho ireo vahoaka hafa izy ireo. Nefa rehefa tonga tamin’izy ireo ny mpampitandrina (Mpaminany), dia vao mainka nampitombo ny fankahalan’izy ireo izany,
noho ny fireharehana teto an-tany, sy ny tetika maloto. Nefa dia izay manao izany ihany no voasaron’ny teti-dratsy ataony. Miandry anjara hafa noho ny an’ireo teo aloha àry ve izy ireo? Nefa dia tsy hahita fanovana amin’ny lalàn’i Allah velively ianao, eny! Tsy hahita fiovana amin’ny lalàn’i Allah mandrakizay.
Fa raha mamaly ny olona amin’izay ataon’izy ireo i Allah, dia tsy hisy zava-manan’aina havelany ho velona mihitsy eto an-tany. Nefa omeny fe-potoana voafaritra izy ireo. Ka rehefa tonga ny fetran’izy ireo (dia hihatra ny famaizana) satria Mahita ireo mpanompony i Allah.
Share