Surah Saba ( Sheba )

Surah Saba ( Sheba ) - Malagasy Aya count 54

Hoy ireo tsy mpino : “ tsy ho avy aminay ilay Ora ”. lazao hoe : “ marina eo anatrehan’ny Tompoko! fa tsy maintsy ho avy aminareo tokoa izany. Mahafantatra ny zava-miafina Izy. tsy misy miafina Aminy, na dia lanjan-javatra kely iray tsy hita maso (atoma) aza eny ambonin’ny tany, na any an-danitra, na bitika kokoa noho izany aza, na lehibe dia efa voasoratra ao amin’ny bokim-pahazavana.
Ary ireo nomena fahalalana, dia mahita fa izay nampidinina teo aminao, avy amin’ny Tomponao no fahamarinana, izay mitarika ho any amin’ny làlan’ilay tsitoha, ilay mendri-piderana.
Nomenay fahasoavana avy aty Aminay tokoa i Davida, ry tendrombohitra sy voromanidina, mamerena miaraka aminy ianareo (Teny fiderana an’i Allah). ary dia nataonay nalefaka teo anatrehany ny vy.
(amin’ny fitenenana aminy manao hoe ) : “ Mandraria akanjo vy ianao, ary refeso tsara ny masony ”. ary aoka ianareo hanao ny tsara. fa mahita izay ataonareo Aho.
Ary nataonay teo ambanin’ny fahefan’i Soulaiman ny rivotra, izay nandeha nitovy amin’ny vita ao anatin’ny iray volana ny maraina, ary mitovy amin’ny iray volana ihany koa ny hariva. Ary nataonay nikoriana ho an’i Soulaiman ny loharam-barahina. Nisy jiny niasa teo ambany fahefany, alàlana avy amin’ny Tompony. Fa izay tsy nanaraka ny didinay tamin’izy ireo, dia nampanandramanay ny sazin’ny afo mamaivay.
Ary rehefa nanapa-kevitra ny amin’ny fahafatesany Izahay, dia tsy nisy afaka nampilaza azy ireo ny amin’izany, afa tsy ny bibin’ny tany izay nikiky ny tehiny. ary rehefa lavo izy, dia hitan’ireo djiny tamin’izay fa raha tena nahafantatra ny zava-miafina izy ireo, dia tsy nijanona tamin’ny famaizana mahafabaraka (tamin’ny fankatoavana ny baiko).
Nisy famantarana tokoa tamin’ny fonenan’ny fokon’i Saba : zaridaiana roa, ny iray eo ankavanana, ary ny iray eo ankavia.« Mihinàna amin’izay nomen’ny Tomponareo ho anareo ianareo, ary mahaiza mankasitraka Azy. fa tanàna tsara izany, ary ny Tompo mpamela heloka ».
Izany no fomba namalianay azy ireo, noho ny tsy finoany. moa hanasazy olon-kafa, afa-tsy ireo tsy mpino va Izahay ?
Ary dia nasianay tanàna lehibe hafa manelanelana azy ireo, sy ireo tanàna voatsodranonay, ka nokajianay ireo fiantoana an-dàlana manelanelana azy ireo. « Mandehana amim-pilaminana eo anelanelan’izany ianareo, mandritra ny andro sy ny alina ».
Ary hoy izy ireo : « Tomponay o ! halavao ny elanelana misy amin’ireo fiantoana eny an-dàlana, ary dia nanao ny tsy rariny tamin’ny tenany ihany izy ireo. Nataonay ho tantara mipetraka ny mikasika azy ireo, ary dia nopotehinay tanteraka. Misy fampitandremana tokoa amin’izany ho an’ireo izay manam-paharetana sy mahay mankasitraka.
Ary hamafisina, fa nohamarin’i satana ny eritreriny mikasika azy ireo. ka nanaraka azy ireo, afa-tsy ampahany tamin’ireo mpino ihany.
Dia lazao hoe : Antsoy ireo izay ihamboanareo (ho tompo) ankoatra an’i Allah, tsy manana na dia zavatra iray kely indrindra (atoma) akory aza izy ireny, na any an-danitra na ety an-tany, tsy niaraka taminy izy ireo tamin’ny famoronana, ary tsy misy afaka hanampy azy amin’izy ireo.
Tsy misy mahazo tombotsoa amin’ny fanelanelanana eo Aminy, afa-tsy izay nomeny alalana ihany. rehefa nanalavitra ny fony ny tahotra, dia hiteny izy ireo hoe : “ Inona no nambaran’ny Tomponareo ? ”. dia hamaly izy ireo hoe : “ ny fahamarinana, fa Izy no ilay avo indrindra, ilay lehibe indrindra ! ”.
Dia lazao hoe : “ Iza no manome anjaram-pivelomana anareo avy any an-danitra sy ety an-tany ? ”. Valio hoe : “ Allah. Izahay va sa ianareo no amin’ny làlana tsara, na amin’ny làlan’ny fahaverezana miharihary ? ”.
Lazao hoe : “ Tsy hanontaniana mikasika izay heloka nataonay ianareo, ary izahay koa tsy hanonataniana ny mikasika izay nataonareo ”.
Lazao hoe : “ Hamory antsika ny Tompontsika, hitsara antsika amim-pahamarinana Izy, fa Izy no ilay mpitsara avo, ilay mahalala ny zava-drehetra ”.
Ary hoy izy ireo :“ Rahoviana àry izany fampanantenana izany, raha mpilaza ny marina tokoa ianareo ? ”.
Lazao hoe : “ Ny fotoana voatondro ho anareo,dia amin’ny andro iray izay tsy azonareo ahemotra ora iray, na ampandrosoina ”.
Dia hiteny amin’ireo izay noheverina ho osa ireo mpirehareha hoe : “ Izahay va no nanakana anareo tamin’ny làlana tsara, rehefa tonga taminareo izany ? Ianareo mihitsy aza no tena mpanao ratsy ”.
Ary tsy nandefa mpampitandrina tamin’ny tanàna iray Izahay, ka tsy niteny ireo olona tsara fari-piainana hoe : “ Tsy mino ny hafatra izay nandefasana anareo izahay ! ”.
Lazao hoe : “ Mizara an-kalalahana ny fanomezany amin’izay sitrany ny Tompoko, na mametra izany. nefa tsy mahafantatra izany ny ankamaroan’ny olona ”.
Lazao hoe : “ Mizara an-kalalahana ny fanomezany amin’izay sitrany amin’ireo mpanompony ny Tompoko, na mametra izany. ka honerany izay fanomezana ataonareo. fa Izy no mpanome mendrika indrindra ny anjaram-pivelomana ”.
Hilaza izy ireo hoe : “ Voninahitra ho Anao ! Ianao no mpiahy anay, fa tsy izy ireo akory. Djiny no notompoin’izy ireo, ka nino azy ireny ny ankamaroany ”.
Amin’io andro io, dia tsy afaka hifanome tombotsoa , na hifanao ratsy intsony ianareo, fa izao kosa no hambaranay amin’ireo olona mpanao ny tsy rariny: “ Andramo ny famaizan’ny afo, izay nataonareo ho lainga ”.
Nandà (ireo iraka) ireo talohan’izy ireo; tsy nahatratra ny ampahafolon’izay nomenay azy ireo ny an’ny mponin’ny Lameka. nataon’izy ireo ho mpandainga ireo iraka avy avy Amiko. ary nanao ahoana ny fanakianako (famaizako) azy ireo.
Lazao hoe : “ Zavatra iray ihany no ampirisihako anareo, dia ny hitsangananareo ho an’i Allah tsiroaroa, na tsirairay, ka handinihanareo avy eo. tsy azon-javatra mihitsy ny namanareo (Mohamady), fa mpampitandrina hanambara aminareo manoloana ilay famaizana mafy ihany izy ”.
Teneno hoe : “ Marina fa ny Tompoko dia mandefa ny fahamarinana (amin’ireo Irany).Izy Ilay tena Mahalala ny zava-mafina ”.
Teneno hoe: “ Tonga ny marina (Islamo). Fa ny diso (ny tsy finoana) dia tsy afaka manohy intsony na mamerina indray ”.
Teneno hoe : “ Raha very làlana aho dia ny tenako ihany no ho very; fa raha voatari-dàlana kosa aho, dia noho ny fanambarana izay nalefan’ny Tompoko tamiko. Marina fa Izy dia Maheno ny zava-drehetra; sady Akaiky ”.
Ary raha hitanao fa azon’ny tahotra izy ireo, ka tsy afa-mandositra, dia horaisina eo amin’ny toerana akaiky izy ireo.
Ary niteny izy ireo hoe: “ Mino Azy izahay ” Fa ahoana no hahazoan’izy ireo ny finoana avy any amin’ny toerana lavitra dia lavitra ?
Nefa izy ireo teo aloha, dia tsy nino an’izany, ary nitsipaka ny miafina rehetra avy any amin’ny toerana lavitra dia lavitra izy ireo.
Ary nametrahana sakana teo anelanelan’izy ireo sy izay tsiriritin’izy ireo, tahaka izay natao tamin’ireo izay nitovy taminy teo aloha, satria izy ireo dia tena tao anatin’ny fisalasalana lalina.
Share