Ô ry mpaminany ! Matahora an’i Allah ary aza mankatò ireo tsy mpino sy ireo mpihatsaravelatsihy ianao. Marina fa Allah dia Mahalala ny zava-drehetra sy be Fahendrena.
Antsoinareo izy ireo amin’ny anaran’ny rainy, izany no tena marina eo anatrehan’i Allah. Raha tsy fantatrareo ny rain’izy ireo, dia raisonareo ho rahalahinareo ara-pinoana na koa namanareo izy ireo. Ary tsy hanananareo tsiny ny fahadisoana izay nataonareo tamin’izany, fa izay ninian’ny fonareo natao kosa (no hahazoanareo tsiny). Ary Allah dia be Famelan-keloka sy be Fiantrana.
Ny mpaminany no manana zo ambony kokoa amin’ireo mpino mihoatra amin’ny tenan’izy ireo; ary ireo vadiny dia renin’izy ireo, ireo rohim-pihavanana mamatotra ny andaniny sy ny ankilany dia manana zo kokoa araka ny Bokin’i Allah, nohon'ny rohy mampitambatra ireo mpino (avy ao Madina) sy ireo mpino mpifindra-monina (avy ao Makka), afa-tsy hoe nanao didim-pananana manokana (sadakat) ianareo ho an’ireo rahalahinareo (amin’ny finoana). Izany dia voarakitra ao anaty Boky.
Ô ianareo izay mino ! Tsarovinareo ny fahasoavan’i Allah taminareo, raha nisy miaramila maro tonga taminareo, dia nandefasanay rivotra sy ireo miaramila (Anjely) izay tsy hitanareo maso (hanohitra azy ireo). Ary i Allah dia Mahita mazava izay rehetra ataonareo.
Rehefa tonga teo aminareo izy ireo, avy erỳ ambony sy avy any ambaninareo, nitsimbadimbadika ny fijery sy niakatra an-tenda ny fò (an-tenda ny aina), dia nisaina ny momba an’i Allah ianareo tamin’ny fiheverana maro samihafa.
Ary efa tena nanao fifanekena tamin’i Allah izy ireo teo aloha, fa tsy hitodi-damosina. Ary ny fifanekena rehetra natao tamin’i Allah dia ho hanontaniana.
Teneno (ry Mohammad) hoe : “Tsy hisy tombony ho anareo mihitsy ny fandosirana, raha ny fahafatesana (tsy hisy ady) na ny famonoana amin’ny ady no andosiranareo. Noho izany dia tsy hanana fahafinaretana afa-tsy kely ihany ianareo.
Teneno (ry Mohammad) hoe : “Iza ary no afaka hiaro anareo amin’i Allah raha ny sitrany ho anareo ny ratsy, na ny sitrany ho anareo ny famindram-pò ?” Ary tsy ahita izy ireo ivelan’i Allah, ho mpiaro na mpanavotra.
Tena fantatr’i Allah ireo mpametraka sakana sy ireo izay mpiteny amin’ny rahalahin’izy ireo hoe : “Avia aty aminay ianareo”, nefa zara raha tonga miatrika ady izy ireo.
Kahihitra izy ireo eo anatrehanareo. Ary raha tonga amin’izy ireo ny tahotra, dia hitanao izy ireo mijery anao amin’ny maso mivadibadika tahaka ny olona torana nohon'ny tahotry ny fahafatesana. Ary rehefa miala ny tahotra, dia mampiaka-peo aminareo amin’ny fiteny henjana izy ireo, nefa kahihitra amin’ny tsara izy ireny no tsy nino. Fa nataon’i Allah ihany ny asan’izy ireo. Izany dia mora amin’i Allah.
Mihevitra izy ireo fa tsy nandeha ireo antoko (mpiara-dia). Nefa raha tonga ireo antoko (mpiara-dia), dia maniry raha mba ho arabo tambanivohitra izy ireo sy manontany ireo vaovao momba anareo. Ary raha niaraka taminareo izy ireo, dia tsy mba niady afa-tsy ny vitsy an’isa ihany.
Tena manana ohatra faka-tahaka tsara arahina indrindra ianareo amin’ny Irak’i Allah, ho an’izay manantena an’i Allah sy ny Andro farany, ary mahatsiaro an’i Allah hatrany.
Ary raha nahita ireo antoko (mpiara-dia) ireo mpino, dia niteny izy ireo hoe : “Indro izay nampanantenain’i Allah sy ny Irany anay, ary nilaza ny marina Allah sy ny Irany”. Ary tsy nampitombo afa-tsy ny finoana sy ny fanoloran-tena tamin’izy ireo izany.
Mba hanomezan’i Allah ny valisoa ireo mpanao ny marina nohon'ny fahamarinan’izy ireo sy hanafaizan'ireo mpiatsaravelatsihy, na havelany ny helok'izy ireo. Tena marina fa Allah dia Mpamela heloka sy be Indrafo.
Ary naverin’i Allah ireo tsy mpino miaraka amin’ny haromotany, ka tsy mba nahazo ny tsara mihitsy izy ireo, ary nafahan’i Allah tamin’ny ady ireo mpino, fa Allah dia Matanjaka sy Tsitoha.
Ary dia nampidininy avy eny amin’ny mandany ireo ampahan’ny olon’ny Boky izay nanampy azy ireo, ka natsipiny tao anaty fon’izy ireo ny tahotra; ny andiany tamin’izy ireo dia novonoinareo, ary ny andiany hafa kosa dia nataonareo babo.
Ary nampandovainy anareo ny tanin’izy ireo, ny fonenan’izy ireo, ny fananan’izy ireo, ary koa ny tany izay mbola tsy nodiavinareo mihitsy. Ary Allah dia Mahefa ny zava-drehetra.
Ô ry mpaminany ! Teneno amin’ireo vadinao hoe : “Raha toa ka ny fiainana eto an-tany, sy ny rendrarendrany no irìnareo, dia tongava ianareo ! Fa omeko izay hafalianareo, ary alefako (amin’ny fisarahana) tsy misy arakaraka.
Fa raha Allah sy ny Irany kosa ary ny Fonenana any an-koatra no tianareo, tena marina fa Allah dia nanomana ho an’ireo mpanao asa tsara ny valisoa lehibe indrindra.
Ô ry vadin’i Mpaminany ! Izay manao asa vetaveta aminareo ka voaporofo izany, dia hampitomboina avo roa heny ny famaizana azy ! Ary mora amin’i Allah izany.
Ary izay manaiky tanteraka an’I Allah sy ny Irany, aminareo, ka manao ny tsara, dia homenay valisoa avo roa heny izy, sy hanomananay anjara, omena an-kalalahana.
Ry vadin’ny Mpaminany! Tsy mitovy amin’ny vehivavy hafa rehetra ianareo. Raha tena manam-patahorana ianareo, dia aoka tsy hiangoty loatra amin’ny fomba fiteny, mba tsy hampitsiriritra izay manana fo marary. Fa manaova fiteny maotina.
Mijanòna ianareo ao an-tokantranonareo; fa aza misehoseho tena tahaka ireo vehivavy tamin’ ny andron’ny tsy fahalalana (talohan’ny finoana Islamo). Ary tanterahonareo ny Soalat (vavaka), omenareo ny Zakat (harena fiantrana), ary ankatoavinareo Allah sy ny Irany. Allah dia tsy mitady afa-tsy ny hanala ny fahalotoana aminareo ry fianakavian’ny Mpaminany, sy ny hanadio anareo tanteraka.
Ary tsarovinareo izay novakiana tamin’ireo fanambaran’i Allah sy ny fahendrena (avy amin’ny Mpaminany) tao an-tranonareo. Allah dia be Fangorahana sy Mahalala tanteraka ny zava-drehetra.
Ireo mpankatò an’ Allah lahy sy vavy, ireo mpino lahy sy vavy, ireo mpanolo-tena lahy sy vavy, ireo olo-marina lahy sy vavy, ireo manam-paharetana lahy sy vavy, ireo mpanetri-tena lahy sy vavy, ireo tia miantra olona, lahy sy vavy, ireo mpifehy tena lahy sy vavy, ireo mpiaro ny fahadiovan-tenany lahy sy vavy, ireo mpahatsiaro an’i Allah mandrakariva lahy sy vavy; Allah dia nanomana famelan-keloka sy valisoa lehibe ho azy ireo.
Tsy anjaran’ny mpino lahy na mpino vavy, rehefa misy zavatra voatapak’i Allah sy ny Irany, no hisafidy araka izay fomba tiany amin’ny raharahan’izy ireo. Ary na iza na iza no tsy mankatò an’i Allah sy ny Irany, dia tena very amin’ny fahaverezana miharihary.
Raha niteny tamin’ilay nofenoin’i Allah fahasoavana ianao sy nofenoinao fahasoavana ihany koa, hoe: “Tazòny ho anao ny vadinao ary matahora an’i Allah ianao”. Ka nafeninao tao aminao izay hasehon’i Allah an-karihary. Ary natahotra ireo olona ianao, nefa Allah no mendrika atahoranao indrindra. Ary raha nitsahatra tsy nifandray taminy intsony (nisara-panambadiana) i Zayd, dia nasainay nalainao ho vady izy, mba tsy hisian’ny sakana ho an’ireo mpino amin’ny fanambadiany ireo vehivavy vadin’ireo zaza natsangany, rehefa nitsahatra tanteraka ny fifandraisana nisy tamin’izy ireo. Fa ny baikon’i Allah dia tsy maintsy tanteraka.
Tsy misy fanakianana ny Mpaminany, ny amin’izay nandidian’i Allah azy, izany no sori-dàlan’i Allah tamin’ireo izay niaina teo aloha; fa ny didin’i Allah dia lalàna efa voalahatra.
Mohammad dia tsy mba rain’ny iray amin’ireo lehilahinareo velively, fa Irak’i Allah, ary farany amin’ireo Mpaminany izy. Ary Allah dia Mahafantatra ny zava-drehetra.
Ary aoka ianao tsy hankatoa ireo tsy mpino sy ireo mpihatsaravelatsihy, avelao ny fanelingelenana ataon’izy ireo, ary ankino amin’i Allah ny fitokisanao fa Allah dia ampy ho mpiantoka.
Ry Mpaminany! Nataonay tsy voarara taminao ireo vadinao izay nomenao ny mahariny (vodiondry), sy ireo azonao ara-dalàna tamin’ireo babo an’ady ( Andevo vavy) nomen’i Allah anao, ireo zanaka vavin’ny rahalahin-drainao, ireo zanaka vavin’ny anabavin-drainao, ireo zanaka vavin’ny anadahin-dreninao, sy ireo zanaka vavin’ny rahavavin-dreninao, ary ireo izay nanao fifindra-monina niaraka taminao, ny vehivavy mpino raha nanolotra ny tenany ho an’ny Mpaminany; raha te-hanambady azy ny Mpaminany, izany dia natokana ho anao irery ihany ankoatra ireo mpino. Efa tena fantatray izay nodidinay tamin’izy ireo, momba ny vadin’izy ireo sy ireo andevo (vavy) izay ananany mba tsy hisian’ny fanakianana momba anao. Ary Allah dia be Famelan-keloka sy be Indrafo.
Azonao atao ny mampiandry izay tianao ampiandrasina amin’izy ireo, ary azonao atao ny mampiantrano izay tianao ampiantranoina. Avy eo dia tsy misy fanakianana ho anao raha manasa ho ao an-tranonao ny iray amin’ireo izay nisintahanao. Izany no fomba madio kokoa mahafaly azy ireo, ka tsy ananan’izy ireo alahelo sy ankasitrahan’izy ireo izay nomenao azy rehetra. Fa Allah dia Mahafantatra izay rehetra ao am-ponareo, ary Allah dia Mahalala ny zava-drehetra sy Malemy fanahy.
Tsy azonao atao intsony ny maka vehivavy hafa aorian’izany, na manolo vady na dia mahafinaritra anao aza ny fahatsaran’izy ireo, afa-tsy ireo andevo vavy izay anananao, ary Allah dia manara-maso ny zava-drehetra.
Ô ianareo izay mino ! Aoka ianareo tsy hiditra amin’ireo tranon’ny Mpaminany, raha tsy hoe nahazo fanasana hisakafo ianareo, kanefa tsy hijanona ao, hiandry ny fanomanana azy. Nefa raha antsoina ianareo dia midira. Ary rehefa avy nisakafo ianareo, dia mandehana miparitaka, aza mitady hiseho ho olona mifankazatra ka hitari-dresaka. Fa izany dia manahirana ny Mpaminany satria menatra anareo izy, Allah dia tsy menatra (miteny) ny marina. Ary raha mangataka zavatra amin’izy ireo (vadin’ny Mpaminany) ianareo dia mangataha avy ao ambadiky ny lamba manelanelana, izany dia tena madio ho an’ny fonareo sy ny fon’izy ireo; tsy tokony ataonareo ny manelingelina ny Irak’i Allah na sanatria manambady ireo vadiny aoriany; satria izany dia tena fahotana lehibe eo anatrehan’i Allah.
Tsy misy fanakianana ho azy ireo (ny miseho tsy mirakotra) eo anatrehan’ireo rain’izy ireo, na ireo zanakalahin’izy ireo, na ireo anadahin’izy ireo, na ireo zanakalahin’ny anadahin’izy ireo, na ireo zanakalahin’ny rahavavin’izy ireo, na ireo vehivavin’izy ireo, na ireo andevo izay ananan’izy ireo. Aoka hatahotra an’i Allah ianareo. Tena marina fa Allah dia vavolombelon’ny zava-drehetra.
Tena marina fa Allah sy ireo Anjeliny dia mitahy an’ny Mpaminany; ô ianareo izay mino! Mangataha fitahiana ho azy, ary mangataha fiadanana ho azy ianareo.
Tena marina fa ireo izay manafintohina an’ i Allah sy ny Irany, dia manozona azy ireo Allah, ety an-tany sy any an-koatra, ary manomana ho azy ireo ny famaizana manalabaraka.
Ô ry Mpaminany ! Teneno amin’ireo vadinao sy ireo zanakao vavy, ary ireo vadin’ireo mpino, mba hampidina ny lamba fisaronan’izy ireo (voalin’izy ireo) amin’ny tenany; izany no haingana kokoa hamantarana azy ireo ka tsy ho voaelingelina, ary Allah dia be Famelan-keloka sy be Indrafo.
Raha tena tsy mitsahatra ireo mpihatsaravelatsihy, sy ireo izay misy aretina amin’ny fòny, ary koa ireo mpanakorontana ao Madinah, dia tena hamporisika anao Izahay hanohitra azy ireo, ka tsy hipetraka maharitra eo akaikinao izy ireo afa-tsy fotoana fohy ihany.
Manontany anao ireo olona momba ny Ora. Teneno hoe: “Ny fahalalana momba izany dia an’i Allah irery ihany”. Ary inona no ahafantaranao izany? Fa angamba ny Ora dia mety efa akaiky.
Amin’ny andro izay hamadibadihana ny tarehin’izy ireo ao anatin’ny afo, dia hiteny izy ireo hoe : “ Indrisy! Raha mba nankatò an’i Allah sy nankatò ny Iraka Izahay ! ”
Niteny izy ireo hoe : Tomponay o ! tena marina fa izahay dia nanaraka sy naneho fahendrena ireo olon-dehibe nay ka lasa izy ireo indray no nanary anay amin'ny lalany fahaverezana.
Marina fa natolotray an’ireo lanitra sy ny tany, ary ireo tendrombohitra ny andraikitra. Nefa nandà ny hitondra izany izy ireo sady natahotra, fa ny olombelona kosa no nitondra izany; kanefa izy dia tena mpanao ny tsy rariny sy tena tsy mahalala.
Mba hamaizan’i Allah an’ireo mpihatsaravelatsihy lahy sy vavy, sy ireo lahy sy vavy mpanompo sampy, ary mba haneken’i Allah ny fibebahan’ireo mpino lahy sy mpino vavy. Allah dia be Famelan-keloka sy be Indrafo.