وَمِنَ ٱلنَّاسِ مَن يَشْتَرِى لَهْوَ ٱلْحَدِيثِ لِيُضِلَّ عَن سَبِيلِ ٱللَّهِ بِغَيْرِ عِلْمٍۢ وَيَتَّخِذَهَا هُزُوًا ۚ أُو۟لَٰٓئِكَ لَهُمْ عَذَابٌۭ مُّهِينٌۭ ﴿٦﴾
Ary misy amin’ireo olona tsy manam-pahalalana, no mividy teny tsara lahatra, mampivily tsy ho any amin’ny làlan’Allah, ary maneso izany. Hiharan’ny famaizana mahafabaraka izy ireny.