Moa tsy nandinika tamin’ny tenany ve izy ireo? I Allah dia tsy nahary ireo lanitra sy ny tany ary izay manelanelana azy ireo, raha tsy nohon'ny fahamarinana, ary ho amin’ny fe-potoana voafetra.Tena maro anefa ireo olona, no tsy mino ny fihaonana amin’ny Tompon’izy ireo.
Mamoaka ny velona avy amin’ny maty Izy, sy mamoaka ny maty avy amin’ny velona. Ary mamelona ny tany aorian’ny fahafatesany. Ka tahaka izany no hamoahana anareo (amin’ny fitsanganana).
Ary anisan’ireo famantarana avy Aminy, ny nahariany vady ho anareo avy amin’ny tenanareo, mba hiainanareo am-pilaminana miaraka amin’izy ireo, ary nataony nisy fifankatiavana sy fiantrana eo aminareo. Tena marina fa, amin’izany dia misy porofo maro tokoa ho an’ny vahoaka mandinika.
Ary anisan’ireo famantarana avy Aminy ny fahariana ireo lanitra sy ny tany, ary ny fahasamihafan’ireo fiteninareo sy ireo fihodiranareo. Tena marina fa, amin’izany dia misy porofo maro tokoa ho an’ny vahoaka manam-pahaizana.
Ary anisan’ireo famantarana avy Aminy ny torimasonareo amin’ny alina, sy amin’ny antoandro, ary koa ny fitadiavanareo ny fahasoavany. Tena marina fa, amin’izany dia misy porofo maro tokoa ho an’ny vahoaka izay mihaino.
Ary anisan’ireo famantarana avy Aminy, ny fanehoany aminareo ny tselatra miaraka amin’ny fatahorana (ny varatra) sy ny fanantenana (ny orana), ary mampidina ny rano Izy avy any an-danitra mba hamelomany indray amin’ny alalan’izany ny tany aorian’ny fahafatesany. Tena marina fa amin’izany dia misy porofo maro tokoa ho an’ny vahoaka misaina.
Ary anisan’ireo famantarana avy Aminy, ny fijadonan’ny lanitra sy ny tany, amin’ny alalan’ny didiny, avy eo rehefa miantso anareo Izy, avy amin’ny tany, amin’ny antso iray, dia indro fa hipoitra ianareo.
Ary Izy no nanomboka ilay fahariana, avy eo mamerina izany indray; ary izany dia mora kokoa Aminy. Azy ny fahamboniana avo indrindra ao amin’ireo lanitra sy ny tany. Ary Izy Ilay Tsitoha, Ilay be Fahendrena.
Nefa ireo izay nanao ny tsy rariny dia nanaraka ny hetahetam-pon’izy ireo, tsy amim-pahalalana. Fa iza àry no hitari-dàlana izay noverezin’i Allah ? Ary tsy manana mpanavotra izy ireo.
Koa atsangano ny tavanao amin’ny finoana madio (ho an’i Allah), fa izany no toetra voajanahary izay nomen’i Allah ny olombelona. Tsy misy fiovana amin’ny faharian’i Allah. Izany no finoana mahitsy, saingy ny ankamaroan’ny olombelona dia tsy mahafantatra.
Moa ve tsy hitan’izy ireo fa Allah dia mizara an-kalalahana ny fanomezany amin’izay sitrany, sy mametra izany ? Tena marina fa amin’izany dia misy porofo maro ho an’ ny vahoaka izay mino.
Koa omeo ny havana akaiky, sy ny mahantra, ary ny mpandeha sahirana ny zony. Izany no mendrika indrindra ho an’ireo izay mitady ny tavan’i Allah, ary izy ireny no mahazo fahombiazana.
Izay rehetra nomenareo ka hakana zana-bola mba hampitombo ny fanananareo, amin’ny alalan’ny fananan’ny olona dia tsy mitombo izany eo anatrehan’i Allah, fa izay omenareo ho Zakat (harena fiantrana) kosa, ka hitadiavana ny tavan’i Allah (amin'ny foton'ny Allah), Izy ireny no hitombo avo heny (valisoa).
Fa Allah no nahary anareo, avy eo Izy no nanome anareo ny anjaram-pivelomana, manaraka izany dia hovonoiny ianareo, ary hovelominy indray. Moa ve misy amin’ireo izay nataonareo mpiara-miombon’antoka Aminy, nahavita zavatra tahaka izany ? Voninahitra anie ho Azy ! Mihoatra ambony lavitra amin’izay akambana Aminy Izy.
Nibaribary ny asa fanimbana eto an-tany sy any an-dranomasina, noho izay nataon’ny tànan’ny olombelona ihany, mba hampanandramany (Allah) ny ampahany amin’izay nataon’izy ireo. Angamba hiverina (amin’i Allah) izy ireo.
Ary anisan’ireo famantarana avy Aminy, ny fandefasany ireo rivotra ho mpilaza vaovao mahafaly, ary mba hampanandramany azy ireo ny ampahany amin’ny famindram-pony, sy mba hampisosa ny sambo, avy amin’ny baikony, ary mba hitadiavanareo ny fahasoavany. Ary angamba hankasitraka ianareo.
Jereo àry ireo vokatry ny famindram-pon’i Allah, ahoana no hamelomany ny tany aorian’ny fahafatesany. Tena marina fa Izy no hamelona ireo maty, ary Izy tokoa no Mahefa ny zava-drehetra.
Tena marina fa tsy afaka hampandre ireo maty ianao; ary tsy afaka ihany koa hampandre ny antso amin’ireo marenina, raha mandeha mitodi-damosina izy ireo.
Allah, Izy no nahary anareo avy amin’ny (zavatra) malemy; avy eo, taorian’ny fahalemena, dia nomeny hery ianareo, ary taorian’ny hery, dia ny fahalemena sy ny fahanterana. Ary mahary izay sitrany Izy. Fa Izy no Ilay Mahalala, Ilay Mahefa ny zava-drehetra.
Ary hiteny ireo izay nomena ny fahalalana sy ny finoana hoe : “Ianareo dia tena nipetraka araka ny didin’i Allah, mandra-pahatongan’ny Andro Fitsanganana, ka indro àry ilay Andro Fitsanganana. Nefa ianareo dia tsy nahafantatra na inona na inona.”