Surah Al-Imran ( The Famiy of Imran ) - Aya 154

Surah Al-Imran ( The Famiy of Imran ) - Malagasy - Aya 154 Aya count 200

ثُمَّ أَنزَلَ عَلَيْكُم مِّنۢ بَعْدِ ٱلْغَمِّ أَمَنَةًۭ نُّعَاسًۭا يَغْشَىٰ طَآئِفَةًۭ مِّنكُمْ ۖ وَطَآئِفَةٌۭ قَدْ أَهَمَّتْهُمْ أَنفُسُهُمْ يَظُنُّونَ بِٱللَّهِ غَيْرَ ٱلْحَقِّ ظَنَّ ٱلْجَٰهِلِيَّةِ ۖ يَقُولُونَ هَل لَّنَا مِنَ ٱلْأَمْرِ مِن شَىْءٍۢ ۗ قُلْ إِنَّ ٱلْأَمْرَ كُلَّهُۥ لِلَّهِ ۗ يُخْفُونَ فِىٓ أَنفُسِهِم مَّا لَا يُبْدُونَ لَكَ ۖ يَقُولُونَ لَوْ كَانَ لَنَا مِنَ ٱلْأَمْرِ شَىْءٌۭ مَّا قُتِلْنَا هَٰهُنَا ۗ قُل لَّوْ كُنتُمْ فِى بُيُوتِكُمْ لَبَرَزَ ٱلَّذِينَ كُتِبَ عَلَيْهِمُ ٱلْقَتْلُ إِلَىٰ مَضَاجِعِهِمْ ۖ وَلِيَبْتَلِىَ ٱللَّهُ مَا فِى صُدُورِكُمْ وَلِيُمَحِّصَ مَا فِى قُلُوبِكُمْ ۗ وَٱللَّهُ عَلِيمٌۢ بِذَاتِ ٱلصُّدُورِ ﴿١٥٤﴾
Avy eo dia nampidina ny fitoniana teo Aminareo Izy, taorian’ny tebiteby, ny torimaso izay nanarona tanteraka ny andiany iray Taminareo [58]. Ary ny andiany iray hafa kosa dia ny tenan’izy ireo ihany no nanahirana azy ireo; sy mieritreritra mahakasikan’i Allah izy ireo amin’ny fieritreretana tsy marina, fieritreretana tamin’ny andron’ny habadoana, ka niteny izy ireo nanao hoe : “ Moa ve mba manana anjara amin’io raharaha io Izahay ? ” ka dia teneno ny hoe : “ Ny raharaha rehetra dia an’i Allah ”. Izy ireo dia manafina ny ao am-pony izay tsy asehony Aminao. Miteny izy ireo ka nanao hoe : “ Raha mba nanana anjara tamin’io raharaha io Izahay, dia tsy novonoina tety velively ”. Teneno ny hoe : “ na dia ao an-tranonareo aza Ianareo, dia tsy maintsy mivoaka, izay efa voasoratra ho Azy ny fahafatesana, mankany amin’ny toerana hahafatesany ”. Ary mba hitsapan’i Allah izay ao anaty Fonareo, sy hanadiovany ny Fonareo. Ary i Allah dia mahafantatra izay tena ao am-po”.
Share