Tena marina fa i Faraona dia nanambony tena teto an-tany ; ary nozarazarainy ny mponina tao Aminy, mba hahafahany manararaotra ny fahalemen’ny ampahany iray amin’izy ireo ; tapahany ny vozon’ny zanaka lahin’izy ireo, ary avelany ho velona kosa ireo vehivavin’izy ireo. Marina fa izy dia anisan’ireo mpanao asa fanimbana.
Ary nandefasanay hafatra ny renin’i Mosesy hoe : “Ampinonoy izy. Ary raha matahotra ny aminy ianao, dia alatsaho anaty renirano izy. Ary aza matahotra sy malahelo ianao ; tena marina fa Izahay dia hamerina azy eo aminao, ary hanao azy ho anisan’ireo Iraka”.
Ary noraisin’ireo fianakavian’i Faraona izy, mba ho lasa fahavalo sy (ho loharanon’ny) alahelo ho azy ireo ! Marina fa i Faraona, Hamàna ary ireo miaramilany dia nanam-pahadisoana.
Ary niteny ny vadin’ny Faraona hoe : “(Ity zaza ity) dia fahafinaretan’ny masoko sy ny anao ! Aza vonoinareo izy. Angamba hitondra voka-tsoa ho antsika na ho raisintsika ho zanaka izy”. Ary tsy nahatsapa na inona na inona izy ireo.
Ary dia naverinay tany amin’ny reniny izy, mba hamalifaly ny masony, sy tsy hampalahelo azy, ary mba ahafantarany fa ny fampanantenan’I Allah dia marina tokoa. Nefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mahafantatra.
Niteny izy hoe : “Tompo ô ! Tena marina fa nanao hadisoana tamin’ny tenako ihany aho, ka mamelà ahy Ianao”. Dia namela azy Izy. Tena marina fa Izy no Ilay be Famelan-keloka, ilay be Indrafo.
Ny ampitso maraina, dia lasa natahotra ny tao an-tanàna sy mijery ny manodidina azy izy. Ka indro indray ilay nangata-bonjy taminy omaly, nihiakiaka niantso azy. Niteny taminy i Mosesy hoe : “Marina fa ianao dia tena very tokoa”.
Niteny ny iray tamin’izy roa (vavy) hoe : “Ry dada ô ! Ampiasao handray karama izy, satria ny tena tsara amin’izay hampiasanao ho karamaina dia ilay matanjaka sy mendri-pitokisana”.
Niteny izy (ilay anti-dahy) hoe : “Izaho dia te-hampanambady anao ny iray amin’ireo zanako vavy roa ireo, raha toa ka vonona ianao hiasa amiko mandritra ny valo taona. Raha fenoinao folo (taona) kosa izany dia miankina aminao ihany, na dia izany aza dia tsy mitady izay hampanahirana anao aho. Ka ho hitanao aho, raha sitrak’I Allah, fa anisan’ireo olona tsara”
Niteny izy (Mosa) hoe : “Izany dia (fifanarahana) eo amiko sy ianao. Ka na inona na inona tanterahiko amin’ireo fe-potoana ankiroa ireo, dia tsy misy fanerena azo atao amiko. Ary Allah no Mpiantoka amin’izay rehetra lazaintsika ”.
Ary atsipazo ny tehinao”, ary rehefa hitany nihetsiketsika toy ny biby lava izany, dia nitodi-damosina (nandositra) izy sady tsy nitoditodika. “Ô ry Mosesy ! Manatòna ianao ary aza matahotra, fa ianao dia tena anisan’ny voaaro”.
“Ampidiro amin’ny vakin’ny lambanao avy eo amin’ny tratra ny tananao, hivoaka ho fotsy tsy misy aretina izany. Ary fihino mafy amin’ny tenanao ny tananao mba tsy hatahotra ianao. Izy roa ireo dia porofo avy amin’ny Tomponao ho (entina) any amin’i Faraona sy ireo loholony. Marina fa izy ireo dia vahoaka mpanao asa ratsy”.
Fa i Harona rahalahiko dia mahafantatra mandaha-teny kokoa noho izaho. Koa alefaso izy miaraka amiko ho mpanampy, hanamarina ny teniko, tena matahotra tokoa aho sao ataon’izy ireo ho mpandainga”.
Ary niteny i Mosesy hoe : “Ny Tompoko no tena mahalala izay tonga miaraka amin’ny tari-dalana avy Aminy, ary ho an’iza ny fonenana farany. Marina fa tsy ahita fahombiazana ireo mpanao ny tsy rariny”.
Ary niteny i Faraona hoe : “Ô ry loholona ! Tsy mahafantatra zanahary hafa ho anareo ankoatra ny tenako aho. Ô ry Hamana ! Hamelomy afo ambonin’ny tany manga aho, avy eo dia hanoreno tilikambo aho, angamba hiakatra aho hatrany amin’ny Zanaharin’i Mosesy, ary tena mihevitra aho fa izy dia anisan’ireo mpandainga”.
Ary efa nomenay an’i Mosesy ny boky, taorian’ny nandringananay ireo taranaka taloha, ho porofo hita maso ho an’ireo olona, sy ho tari-dàlana ary ho famindram-pò. Angamba ahatsiaro izy ireo.
Fa raha misy fahoriana manjò azy ireo nohon'ny vokatr’izay nataon’ny tànany dia hiteny izy ireo hoe : “Tomponay ô ! Nahoana no tsy mba nandefa Iraka taminay Ianao ? Mba nanarahanay ireo Fanambaranao, ka ho anisan’ireo mpino izahay”.
Fa raha tsy mamaly anao izy ireo, dia fantaro àry fa ny sitrapon’izy ireo ihany no arahin’izy ireo. Ary iza koa no very lalana mihoatra izay manaraka ny sitrapony nefa tsy misy tari-dalana avy amin’I Allah ? Marina fa Allah dia tsy mitari-dalana ny vahoaka mpanao ny tsy rariny.
Ary rehefa maheno ny zava-tsinontsinoavina izy ireo, dia mitodi-damosina, ka miteny manao hoe : “Ho anay ny asanay, ary ho anareo ny asanareo. Fiadanana anie ho anareo ! Ary tsy mitady ireo bado izahay”.
Tena marina fa ianao (ry Mohammady) dia tsy afaka hitari-dalana izay tianao, fa I Allah kosa no mitari-dalana izay sitrany, ary Izy no tena mahafantatra ireo izay (ho) voatari-dalana.
Ary nilaza izy ireo nanao hoe : “Raha manaraka ny tari-dalana tsara miaraka aminao izahay, dia ho esorina amin’ny taninay”. Moa tsy napetrakay tamin’ny tany masina, azo antoka ve izy ireo, izay hitondràna ny vokatra isan-karazany ho anjara fanomezana avy aty Aminay ? Fa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mahafantatra.
Ary ny Tomponao dia tsy mandringana ireo tanàna mandra-pandefasany Iraka ao amin’ny renivohiny, mba hitory ireo fanambaranay amin’izy ireo. Ary Izahay dia tsy mandringana ireo tanàna raha tsy ny vahoaka ao aminy no mpanao ny tsy rariny.
Ary izay zavatra nomena anareo dia fahafinaretana eto amin’ny fiainana an-tany (mandalo) ihany sy haingony, fa izay eo amin’I Allah kosa no mendrika indrindra no sady maharitra ! Moa ve tsy misaina ianareo ?
Moa ve izay nomenay fampanantenana tsara ka ahita ny fahatanterahan’izany, dia mitovy amin'izay nomenay fahafinaretana amin’ny fiainana eto an-tany ? Avy eo amin’ny Andro Fitsanganana dia ho anisan’ireo izay hiseho fitsarana izy ?
Ary ny Tomponao dia mahary sy misafidy izay sitrany, fa tsy andraikitr’izy ireo mihitsy no misafidy. Voninahitra anie ho an’I Allah ! Ary ambony lavitra noho izay atambatr’izy ireo Aminy Izy !
Ary Izy no Allah ! Tsy misy zanahary hafa afa-tsy Izy ihany. Azy ny fiderana ety an-tany sy any ankoatra. Azy ny fitsarana ary any Aminy no hamerenana anareo.
Lazao hoe : “Hitanareo ve raha nataon’I Allah maharitra aminareo ny alina hatramin’ny Andro Fitsanganana, iza no zanahary ankoatr’I Allah afaka hitondra hazavana ho anareo ? Moa ve tsy maheno ianareo ?
Lazao hoe : “Hitanareo ve raha nataon’I Allah maharitra aminareo ny andro hatramin’ny Andro Fitsanganana, iza no zanahary ankoatr’I Allah afaka hitondra ho anareo ny alina izay mba hialanareo sasatra ? Moa ve tsy mahita ianareo ?
Ary nohon'ny famindram-pony dia nataony ho anareo ny alina sy ny andro mba hialanareo sasatra sy hitadiavanareo ny fahasoavany, ary angamba hankasitraka ianareo!
Ary hamoaka vavolombelona isaky ny vahoaka izahay, ka hiteny izahay hoe : “Ento aty ny porofonareo !”. Ka ho fantatr’izy ireo fa ny fahamarinana dia an’I Allah; ary handao azy ireo izay noforonin’izy ireo.
Tena marina fa i Karona dia isan’ny vahoakan’i Mosesy, nefa nihoam-pefy tamin’izy ireo izy. Ary nomenay harena sarobidy izy, ka ireo fanalahidin’izany dia tena mavesatra amin’ireo andian’olona matanjaka. Niteny taminy ny vahoakany nanao hoe : “Aza mifaly mihitsy ianao. Tena marina fa Allah dia tsy tia ireo mientanentan-kafaliana.
Ary tadiavo amin’ny alalan’izay nomen’I Allah anao, ny fonenana any ankoatra. Ary aoka ianao tsy hanadino ny anjaranao eto an-tany. Ary manaova ny tsara tahaka ny nanaovan’I Allah ny tsara teo aminao ianao. Ary aza mitady hanao fanimbana ety ambonin’ny tany ianao. Tena marina fa Allah dia tsy tia ireo mpanao asa fanimbàna”.
Ka nivoaka teo anatrehan’ny vahoakany izy miaraka amin’ny haingony rehetra. Nilaza ireo izay tia ny fiainana eto an-tany nanao hoe : “Indrisy ! Raha mba nanana mitovy amin’izay nomena an’i Karona izahay. Izy dia tena nanana harena nampitolagaga”.
Ary nilaza ireo izay nomena fahalalana nanao hoe : “Loza ho anareo ! Ny valisoan’I Allah no tena mendrika ho an’izay mino sy manao ny asa soa” Nefa tsy ahazo izany afa-tsy ireo manam-paharetana.
Ka nataonay nitelina azy àry ny tany, izy sy ny tranony. Ary tsy nisy vondron’olona na dia iray aza, ankoatr’I Allah, no afaka nanavotra azy, ary tsy anisan’ireo afaka nanavotra ny tenany izy.
Ka ireo izay naniry ny toerany (Karona) omaly dia nilaza hoe : “Ha ! Tena marina fa Allah dia nanome an-kalalahana ny anjara amin’izay sitrany amin’ireo mpanompony, sy mametra (izany). Raha tsy Allah no efa nanao soa anay, dia ho nalentiny tokoa izahay. Ha ! Marina tokoa fa tsy mba mahazo fahombiazana ireo tsy mpino.
Ny fiainana any ankoatra, dia nataonay ho an’ireo izay tsy mitady fahamboniana eto an-tany, sy tsy manao asa fanimbana. Ary ny fiafarana sambatra dia ho an’ireo izay manam-patahorana.
Tena marina fa Ilay nandidy taminao ny Koroany dia tena hamerina anao amin’ny toerana (izay irinao) hiverenana. Lazao hoe : “Ny Tompoko no tena mahalala izay tonga miaraka amin’ny tari-dalana sy izay ao anatin’ny fahaverezana mibaribary”.
Ary tsy nanantena mihitsy ianao fa ny Boky dia halefa aminao; raha tsy nohon'ny famindram-po avy amin’ny Tomponao. Ka aoka àry ianao tsy ho mpanohana mihitsy ireo tsy mpino.
Ary aza miantso zanahary hafa miaraka amin’I Allah mihitsy ianao. Tsy misy zanahary hafa afa-tsy Izy ihany. Ny zava-drehetra dia ho ringana afa-tsy ny Tavany (Tavan’I Allah) ihany. Azy ny fitsarana,ary any Aminy no hamerenana anareo.