(Tsarovy) Raha niteny tamin’ny fianakaviany i Mosesy (Mosa) hoe : “Nahatazana afo aho ka hitondrako vaovao avy amin’izany ianareo, na koa hitondrako tapa-porohana mirehitra mba hakanareo hafanana”.
Ary atsipazo ny tehinao. Raha nahita azy mihetsika toy ny bibilava izy, dia nandositra tsy hiverina. “Ry Mosesy! Aza matahotra ianao, fa tsy matahotra velively ireo Iraka eto anatrehako.
“Ary ampidiro ao anaty paosinao (ambony) ny tananao. Hivoaka fotsy izany, tsy misy zava-dratsy na anankiray amin’ireo fahagagana sivy, ho an’i Faraona sy ny vahoakany izany, fa olona ratsy fanahy tokoa izy ireo”.
Ary nolavin’izy ireo tsy amim-pahamarinana sy amim-piavonavonana izany, na dia nino tanteraka aza ny tao anatin’izy ireo. Jereo ary ny fiafaran’ireo mpanimba.
Ary nomenay fahalalana tokoa i Davida sy i salomona ary niteny izy ireo hoe : dera ho an’I Allah izay nampisongadina anay manokana amin’ireo mpanompony maro izay mpino.
Ary nandova an’i Davida i Salomona, ka niteny izy hoe : Oh ry Olombelona ! Nampianarina anay ny fitenin’ireo vorona ; ary nomena anjara izahay amin’ny zava-drehetra. Hamafisina, fa izany no tena fahasoavana miharihary tokoa.
Nahoana izy ireo no tsy niankohoka eo anoloan’I Allah izay mamoaka ny (zavatra) miafina eny amin’ireo lanitra sy ny tany sy ilay mahafantatra izay afeninareo ary koa izay asehonareo ?
Mandehana ary ento ity taratasiko ity. Avy eo dia atsipazo eo amin’izy ireo izany, ary manaraka izany dia misintaha kely amin’izy reo ianao ka jereo ny valin-tenin’izy ireo.
Niteny izy hoe : tena marina fa raha miditra ny Tanàna iray ireo mpanjaka dia manao asa fanimbana foana, ary hataony afa-baraka ireo mponina manan-kaja ao aminy. Ary dia toy izany mihitsy no fanaon’izy ireo.
Niteny izy (Salomona) hoe : Oh ry loholona ! Iza aminareo no hitondra ny seza fiandrianany aty amiko alohan’ny ahatongavan’izy ireo aty amiko ho mpankato (ilay Mpanjaka vavy sy ny vahoakany) ?
Niteny ny jiny iray izay tena matanjaka hoe : izaho no hitondra azy eo aminao alohan’ny hitsangananao avy eo amin’ny toeranao, ary tena marina fa izaho dia matanjaka sy mendri-pitokisana amin’izany.
Dia niteny izy (Salomona) hoe : ovanareo amin’ny endrika tsy fantany ilay seza fiandrianany, ka ho hitantsika ary raha voatari-dalana izy, na ho anisan’ireo tsy ahazo tari-dalana.
Notenenina taminy hoe : midirà ao an-dapa ianao, avy eo raha nahita izany izy (ny hatsaran’ny lapa), dia noheveriny fa rano lalina izany, ka nasehony ny ranjony roa, ka niteny izy (Salomona) hoe : io dia lapa vita avy amin’ny gorodona kristaly. Niteny izy (ilay mpanjaka vavy) : Tompo oh ! tena nanambaka ny tenako tokoa aho, ka manetry tena aho miaraka amin’i Salomona ho an’i Allah Tompon’izao tontolo izao.
Dia niteny izy hoe : ry vahoakako ! Nahoana no mitady hanafaingana ny ratsy alohan’ny tsara ianareo ? Raha mba mangataka famelan-keloka amin’I Allah ianareo ? Angamba mba ahazo famindram-po ianareo.
Niteny izy ireo hoe : mianiana amin’I Allah izahay fa tena hanafika azy sy ny fianakaviany amin’ny alina. Avy eo dia hiteny tokoa izahay amin’izay omena andraikitra ny hamaly faty azy hoe : izahay dia tsy nahita ny famonoana ny fianakaviany, ary izahay dia olona mpilaza ny marina.
Indro ary fa ny tranon’izy ireo dia foana nohon'ny fanaovan’izy ireo ny tsy rariny. Marina fa amin’izany dia tena misy famantarana ho an’ny vahoaka izay mahafantatra.
Ianareo dia tena mandeha amin’ireny lehilahy ireny mba hakanareo fahafinaretana ankoatr’ireo vehivavy, ianareo dia vahoaka tena anatin’ny habadoana tokoa.
Teneno (ry Mohammad) hoe : “Dera anie ho an’i Allah, ary fiadanana anie ho amin’ireo mpanompony izay nosafidiany !” Moa ve i Allah no Mendrika indrindra sa ireo izay akamban’izy ireo Aminy ?
Moa ve tsy Izy no Nahary ireo lanitra sy ny tany, ary nampidina ny rano avy any an-danitra ho anareo, ka nampitsirianay avy amin’ny alàlan’izany ireo zaridaina maro mahafinaritra. Tsy nanana fahefana mihitsy ianareo hampitsiry ireo hazony. Ka moa ve misy zanahary hafa miaraka amin’I Allah ? Tsia, nefa izy ireo dia vahoaka mampitovy Azy amin’ny hafa.
Moa ve tsy Izy no nanao ny tany ho toeram-ponenana, sy nametraka renirano maro eo anelanelan’izany, nampisy tendrombohitra mafy (mafy orina) maro eo aminy, ary nametraka fefy eo anelanelan’ny ranomasina roa, moa ve misy zanahary hafa miaraka amin’I Allah ? Tsia ! Nefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mahalala mihitsy !
Moa ve tsy Izy no mamaly ny tra-pasahiranana raha miantso Azy, sy manala ny ratsy, ary manao anareo ho taranaka mifandimby eto an-tany, moa ve misy Tompo hafa miaraka amin’I Allah ? Zara raha mahatsiaro ianareo !
Moa ve tsy Izy no mitari-dalana anareo ao amin’ny haizin’ny tany sy ny ranomasina, ary iza no mandefa ireo rivotra ho vaovao mahafaly mialoha ny Famindram-pony (ranon’orana). Moa ve misy Tompo hafa miaraka amin’I Allah ? Ambony Lavitra I Allah manoloana izay akamban’izy ireo Aminy.
Moa ve tsy Izy no manomboka ny fahariana , avy eo dia mamerina izany indray, ary iza no manome anareo anjara-pivelomana avy any an-danitra sy eto an-tany. Moa ve misy Tompo hafa miaraka amin’I Allah ? Teneno hoe : “Omeo ny porofonareo raha marina ny anareo ?”
Teneno hoe : “Tsy misy mahalala ny miafina, izay rehetra any amin’ireo lanitra sy ny eto an-tany, afa-tsy I Allah”. Ary tsy fantatr'izy ireo raha oviana no hananganana azy ireo .
Ary feno tanteraka ny fahalalan’izy ireo momba ny fiainana any ankoatra, nefa izy ireo dia mbola miahiahy ihany ny amin’izany. Na mbola jamba amin’izany izy ireo.
Ary rehefa mihatra amin’izy ireo ny teny, dia havoakanay hiteny amin’izy ireo ny biby iray lehibe avy amin’ny tany, ka hanao hoe : “Marina fa ny olombelona dia tsy mahatoky tanteraka ireo fanambarananay”.
Moa ve tsy hitan’izy ireo tokoa fa Izahay no nanao ny alina mba ahazoan’izy ireo fialan-tsasatra, ary ny andro mba ahafahana mijery ? Tena marina, fa ao anatin’izany dia misy porofo maro ho an’ireo vahoaka izay mino.
Ary amin’ny andro izay hitsofana ny Trompetra dia hatahotra daholo izay rehetra any amin’ireo lanitra sy ny eto an-tany afa-tsy ireo izay sitrak’I Allah ! Ary ny rehetra dia ho tonga eo Aminy amim-panetren-tena.
Ary na iza na iza tonga miaraka amin’ny asa ratsy dia ho aondrika ao anatin’ny afo ny tarehin’izy ireo. Moa ve tsy ho valiana ianareo afa-tsy amin’ny asa izay nataonareo ihany ?
Ary ny hamakiako ny Koroany, ka na iza na iza mizotra amin’ny lala-mahitsy dia nanitsy ny tenany ihany. Ary na iza na iza no nanary ny tenany kosa dia teneno hoe : ”Izaho dia tsy inona, fa anisan’ireo mpampitandrina ihany”.
Ary mitenena ianao hoe : ”Dera anie ho an’I Allah ! Fa hampahitany ireo famantarany ianareo, ka ho fantatrareo tokoa izany. Ary ny Tomponao dia tsy mba variana akory amin’izay ataonareo.