Surah Ash-Shuara ( The Poets )

Surah Ash-Shuara ( The Poets ) - Malagasy Aya count 227

Twa, Sin, Mim.
Raha sitrakay dia ho nampidininay tamin’izy ireo avy eny an-danitra ny famantarana iray, ka ho tavela hiondrika amin’izany ny hatok’izy ireo.
Ary tsy misy fampahatsiahivana vaovao avy amin’Ilay be Fiantrana tonga amin’izy ireo, ka tsy mitodi-damosina amin’izany izy ireo.
Efa nilaza izy ireo fa lainga (izay rehetra avy amin’ny Tompony), ka ho tonga amin’izy ireo tsy ho ela ireo vaovao mahakasika izay nataon’izy ireo vazivazy.
Moa ve tsy hitan’izy ireo ny tany, firifiry no nampitsirinay teo aminy, amin’ireo karazana zavatra tsiroaroa mahasoa rehetra.
Marina fa amin’izany dia misy fahagagana tokoa, nefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mino.
Ary marina fa ny Tomponao, Izy no ilay Tsitoha, ilay be indrafo.
Ary rehefa niantso an’i Mosesy ny Tomponao hoe : “Aoka ianao ho tonga any amin’ireo vahoaka mpanao ny tsy rariny.
(Any) amin’ny vahoakan’i Faraona ; moa tsy mba hanam-patahorana (Azy) ve izy ireo ?
Niteny izy hoe : “Tompoko ô ! Tena matahotra aho sao ataon’izy ireo ho mpandainga\".
Ary misy heloka bevava hanenjehan’izy ireo ahy, ka matahotra aho sao dia ho vonoin’izy ireo.
Niteny Izy (Allah) hoe : “Tsy izany ! Mandehana ianareo roa miaraka amin’ny fahagagana avy Aminay. Tena marina fa Izahay dia miaraka aminareo sy mihaino\".
Aoka ianareo roa ho tonga any amin’i Faraona, ka ilazao izy hoe : “Izahay dia irak'i Tompon’izao tontolo izao\".
Niteny izy (Faraona) hoe : “Moa ve tsy nobeazinay teto aminay fony mbola kely ianao ? Ary tsy nipetraka teto aminay nandritra ny taona maromaro tamin’ny fiainanao ve ianao ?
Avy eo dia nanao ny asa ratsy izay nataonao ianao, ary isan’ireo tsy mpankasitraka ianao.
Niteny izy hoe : “Nataoko tokoa izany, fony aho mbola anisan’ireo very lalana\".
Ary izany ve no fahasoavana izay ahindrahindranao amiko, nefa ianao nanandevo ireo zanak’Israely ?
Niteny i Faraona hoe : “Fa iza no Tompon’izao tontolo izao ?”
Niteny izy hoe : “Ilay Tompon’ireo lanitra sy ny tany ary izay eo anelanelan’izy ireo, raha toa ka manana fitokisana marina ianareo”.
Niteny izy tamin’ireo manodidina azy hoe : “Moa ve tsy henonareo (izany) ?”
Niteny izy hoe : “Ilay Tomponareo sy Tompon’ireo razambenareo teo aloha”.
Niteny izy (Faraona) hoe : “Marina fa ny iraka izay nalefa eo aminareo dia tena adala tokoa”.
Niteny izy (Mosesy) hoe : “Ilay Tompon’ny atsinanana sy ny andrefana sy izay manelanelana azy ireo, raha mba misaina ianareo !”.
Niteny izy (Faraona) hoe : “Raha mandray zanahary hafa ankoatra ahy ianao, dia tena ataoko ho anisan’ireo voafonja”.
Dia niteny izy (Mosesy) hoe : “Ary na dia hitondrako zavatra ho porofo miharihary ve ianao ?”.
Niteny izy (Faraona) hoe : “Ento àry izany raha toa ka anisan’ireo olona marina ianao”.
Ary navoakany ny tanany, dia lasa fotsy mamirapiratra teo amin’ireo mpijery izany.
Niteny izy (Faraona) tamin’ireo loholona nanodidina azy hoe : “Izany tokoa no mpanao majika mahay”.
Mila hamoaka anareo hiala amin’ny tanànanareo amin’ny alalan’ny majikany izy, ka inona no hevitra homenareo ahy ?”
Niteny izy ireo hoe : “Ampiandraso izy sy ny rahalahiny, ary andefaso iraka mankany amin’ireo tanàna mba hamory olona\"
Ka ho tonga eo aminao izy ireo miaraka amin’ireo mpanao majika avo lenta tena mahay.
Ka dia navory ireo mpanao majika, ho amin’ny fotoana, amin’ilay andro voatondro.
Ka rehefa tonga ireo mpanao majika dia niteny izy ireo tamin’i Faraona hoe : “Moa ve tena hisy valisoa marina ho anay, raha izahay no mivoaka ho mpandresy ?”
Niteny izy (Faraona) hoe : “Eny ! Ary tena ho isan’ireo akaiky ahy ianareo”.
Ka natsipin’izy ireo ny tadiny sy ny tehiny ; ary niteny izy ireo hoe : “Amin’ny alalan’ny fahefan’i Faraona ! Izahay no tena hivoaka mpandresy !”.
Avy eo dia natsipin’i Mosesy ny tehiny, dia indro izy fa mitsaingoka izay rehetra noforonin’izy ireo.
Tamin’izay dia niantoraka niankohoka ireo mpanao majika.
Niteny izy ireo hoe : “Mino an’ny Tompon’izao Tontolo izao izahay\".
Niteny izy (Faraona) hoe : “Nino azy ve ianareo, alohan’ny hanomezako alalana anareo ? Tena marina fa izy no lehibenareo izay nampianatra anareo ny majika ; ka ho fantatrareo tsy ho ela ! Tena ho tapahiko ny tananareo sy ny tongotrareo izay mifanohitra amin’ny andaniny avy, ary ho fantsihiko amin’ny hazo ianareo rehetra”.
Niteny izy ireo hoe : “Tsy misy maharatsy izany ! Marina fa any amin’ny Tomponay no hiverenanay\"
Ary nandefasanay fanambarana i Mosesy hoe : “Mandehana amin’ny alina miaraka amin’ireo mpanompoko ianao, fa hisy mpanenjika ianareo”.
“Tena marina fa andian’olona vitsivitsy ihany izy ireny”.
Ary isika rehetra kosa dia fatra mpitandrina.
Ka navoakanay izy ireo avy tamin’ireo zaridaina sy ireo loharano.
Ary ireo harena sarobidy sy ny toerana mendrika.
Tahaka izany ! Ary dia nampandovanay ireo zanak’Israely izany (rehetra izany).
Nanenjika azy ireo izy ireo rehefa niposaka ny masoandro.
Avy eo, rehefa nifampitazana ny andiany roa, dia niteny ireo olon’i Mosesy hoe : “Marina fa efa ho tratra tokoa isika”.
Niteny izy (Mosa) hoe : “Tsia! Tena miaraka amiko ny Tompoko, ka hitari-dalana ahy Izy”.
Ka nandefa fanambarana tamin’i Mosesy Izahay hoe : “Kapohy amin’ny tehinao ny ranomasina”. Dia nizara roa izany, ka toy ny tendrombohitra lehibe avo ny andaniny sy ny ankilany.
Ary nampanatoninay ny sasany (Faraona sy ny vahoakany)
Marina fa amin’izany dia misy fahagagana tokoa, nefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mpino.
Ary marina fa ny Tomponao, Izy no ilay Tsitoha, ilay be indrafo.
Ary vakio amin’izy ireo ny vaovaon’i (tantaran’i) Abrahama.
Rehefa niteny izy tamin’ny rainy sy ny vahoakany hoe : “Inona no tompoinareo ?”
Niteny izy ireo hoe : “Manompo sampy izahay, ary tsy hitsahatra hiraiki-po amin’izy ireo”.
Niteny izy hoe : “Moa ve mandre anareo izy ireo rehefa miantso ianareo ?
Na koa manome tombontsoa anareo ? Na hanisy ratsy anareo ?
Niteny izy ireo hoe : “Tsia ! Fa izahay nahita ireo razambenay dia tahaka izany no nataony”.
Tena marina fa izy ireo dia fahavaloko daholo, afa-tsy ny Tompon’izao tontolo izao.
Tompo ô ! Omeo fahendrena aho, ary ataovy miaraka amin’ireo olo-mendrika.
Ary ataovy an’isan’ireo mpandova ny Paradisan’ny «Na’ìm» (fahafinaretana) aho.
Ary mamelà ny heloky ny raiko, satria izy dia tena anisan’ireo very lalana.
Ary aza alaina baraka aho amin’ny andro hampitsanganana ireo maty.
Amin’ny andro izay tsy hitera-boka-tsoa, na ny harena na ny zanaka.
Afa-tsy izay tonga eo anatrehan’I Allah miaraka amin’ny fo madio.
Ary hampanatonina ny Paradisa, ho an’ireo nanam-patahorana.
Ary ho tenenina amin’izy ireo hoe : “Aiza ireo izay notompoinareo?\"
Ankoatr’I Allah ? Moa ve manavotra anareo izy ireo ? Sa afaka manavotra ny tenany ve izy ireo ?
Toy izany koa ireo miaramilan’i Iblisa rehetra.
Mianiana amin’I Allah izahay fa tena ao anatin’ny fahaverezana miharihary tokoa.
Raha nampitovy anareo tamin’ny Tompon’izao Tontolo izao izahay !
Ary tsy nisy namery lalana anay afa-tsy ireo mpanao heloka bevava !
Marina fa amin’izany dia misy fahagagana tokoa, nefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mpino.
Rehefa niteny tamin’izy ireo i Noa, rahalahin’izy ireo, hoe : “Tsy matahotra (an’I Allah) ve ianareo ?
Ary matahora an’I Allah àry ianareo, ary ankatoavy aho.
Ary matahora an’I Allah àry ianareo, ary mankatoava ahy.
Niteny izy ireo hoe : “Moa ve hino anao izahay, nefa ireny olona ambany saranga indrindra ireny no manaraka anao ?”
Niteny izy hoe : “Tsy manana fahalalana amin’izay zavatra ataon’izy ireo aho\".
Tsy misy fitsarana azy ireo afa-tsy any amin’ny Tompoko, raha mba tsapanareo izany.
Niteny izy ireo hoe : “Raha tsy mitsahatra ianao ry Noa dia tena ho anisan’ireo voatora-bato tokoa”.
Niteny izy (Noa) hoe : “Tompo ô ! Tena nilaza ahy ho mpandainga ny vahoakako !
Ka tsarao amin’ny fitsarana mazava àry ny amiko sy ny amin’izy ireo ; ary avoty aho sy ireo mpino miaraka amiko”.
Dia navotanay izy sy ireo izay niaraka taminy, tao anatin’ny sambo fiara feno tanteraka.
Avy eo dia narendrikay taorian’izany ireo sisa tavela.
Marina fa amin’izany dia misy fahagagana tokoa, nefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mpino.
Raha niteny tamin’izy ireo ny rahalahin’izy ireo Hod hoe : “Tsy manam-patahorana ve ianareo ?”
Ary matahora an’i Allah àry ianareo, ary mankatoava ahy.
Ary tsy mangataka tambiny aminareo aho ny amin'izany, tsy misy karama afa-tsy avy amin’ny Tompon’izao Tontolo izao aho.
Moa ve manorina tsangam-bato isaky ny havoana ianareo mba hanaovanareo rendrarendra ?
Ary rehefa manasazy ianareo, dia manasazy tsy misy fiantràna .
Ary matahora an’I Allah àry ianareo, ary mankatoava ahy.
Ary matahora izay nanome anareo zavatra (tsara rehetra) izay efa fantatrareo ianareo.
Ary ireo zaridaina sy ireo loharano.
Marina fa izaho dia matahotra ny famaizana ho anareo amin’ny Andro lehibe.
Niteny izy ireo hoe : “Mitovy ihany izany aminay, na mananatra ianao na tsy anisan’ireo mpananatra !
Ka nilaza azy ho mpandainga izy ireo. Ary naringanay izy ireo.Tena marina fa amin’izany dia misy famantarana tokoa ! Nefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mino.
Raha niteny tamin’izy ireo ny rahalahin’izy ireo Soalihy hoe : “Tsy manam-patahorana ve ianareo ?”
Ary matahora an’I Allah àry ianareo, ary mankatoava ahy.
Moa ve avela am-pilaminana amin’izao toe-javatra misy anareo izao ianareo ?
Ary ireo voly sy ireo hazo palma izay mora levonina ny voankazony”.
Ary matahora an’I Allah àry ianareo, ary mankatoava ahy.
Ary aza mankato ny baikon’ireo mpanao ny tafahoatra ianareo.
Ireo izay manao ny asa fanimbana eto an-tany, dia tsy manao mihitsy ny asa fanamboarana.
Niteny izy ireo hoe : “Ianao dia tena anisan’ireo olona voan’ny mosavy\".
Tsy iza akory ianao afa-tsy olombelona tahaka anay ihany. ka ento aty aminay àry ny fahagagana, raha anisan’ireo mpilaza ny marina ianao.
Niteny izy hoe : “Indro ny rameva vavy, ho azy ny anjara fisotroana amin’ny andro voatondro, ary ho anareo koa ny anjara fisotroana amin’ny andro hafa voatondro\".
Ary aza manao ratsy aminy na dia kely aza ianareo, raha tsy izany dia hiharan’ny famaizana ianareo amin’ny andro lehibe.
Nefa mbola novonoin’izy ireo ihany izy (ny rameva vavy), noho izany dia nanenina izy ireo !
Koa niharan’ny famaizana izy ireo. Marina fa misy famantarana ny ao anatin’izany. Nefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mino.
Raha niteny tamin’izy ireo ny rahalahin’izy ireo Lota hoe : “Tsy manam-patahorana ve ianareo ?\"
Ary matahora an’I Allah àry ianareo, ary mankatoava ahy.
Moa ve manao firaisana ara-nofo amin’ny lehilahin’izao tontolo izao ianareo ?
Ary avelanareo ireo vehivavy vadinareo izay noharian’i Tomponareo ho anareo ? Ary ianareo dia tena vahoaka mpandika lalàna.
Niteny izy ireo hoe : “Raha tsy mitsahatra ianao ry Lota, dia tena ho anisan’ireo atao sesi-tany\".
Niteny izy (Lota) hoe : “Marina fa izaho dia anisan’ireo mankahala ny asa izay ataonareo\".
Tompo o ! Avoty aho sy ny fianakaviako amin’izay ataon’izy ireo.
Afa-tsy vehivavy antitra iray anisan’ireo naringana.
Ary narotsakay tamin’izy ireo ny orana (oram-bato). Tena ratsy tokoa izany orana izany ho an’ireo izay nampitandremana.
Marina fa amin’izany dia misy fahagagana tokoa, nefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mpino.
Rehefa niteny tamin’izy ireo i Choaymbo hoe : “Tsy manam-patahorana ve ianareo ?”
Ary matahora an’I Allah àry ianareo, ary mankatoava ahy.
Ary aza manome ny olona izay latsaky ny tokony ho azy ianareo; ary aza manao fanakorontanana sy asa fanimbana eto an-tany ianareo.
Niteny izy ireo hoe : “Ianao dia tena anisan’ireo olona voan’ny mosavy\".
Tsy iza ianao afa-tsy olombelona tahaka anay ihany ; ary izahay dia mihevitra tokoa fa tena anisan’ireo mpandainga ianao.
Niteny izy hoe : “Ny Tompoko no tena mahalala izay ataonareo”.
Nefa nolazain’izy ireo fa mpandainga izy. Ka niharan’ny famaizan’ny andron’ny aloka izy ireo. Ary izany dia tena famaizan’ny andro lehibe.
Marina fa amin’izany dia misy fahagagana tokoa, nefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mpino.
Izy io (ny Kor’any) dia ny Tompon’izao tontolo izao no nampidina azy.
Ary nidina niaraka taminy ilay Fanahy mendri-pitokisana (Anjely Gabriely).
(Hametraka azy) Ao amin’ny fonao, mba ho anisan’ireo mpampitandrina ianao.
Ary izy io dia efa voarakitra mazava tsara ao anatin’ny soratra masin’ireo teo aloha.
Moa ve tsy famantarana ho azy ireo izany, fa ireo manam-pahaizan’ny zanak’Israely dia mahafantatra tsara izany ?
Tahaka izany no nampidiranay azy (ny ahiahy) tao amin’ny fon’ireo mpanao heloka bevava.
Ka tsy hino izany (Kor’any izany) izy ireo alohan’ny ahitan’izy ireo ny famaizana mamirifiry.
Izay ho tonga tampoka amin’izy ireo, ary tsy ahatsapa izany mihitsy izy ireo.
Dia hiteny izy ireo hoe : “Moa ve ahazo fe-potoana izahay ?”
Ny famaizana avy Aminay ve no tadiavin’izy ireo hafainganina ?
Hitanao ve raha omenay fahafinaretana izy ireo mandritra ny taona maro.
Avy eo dia ho tonga amin’izy ireo izay nampitahorana azy ireo.
Tsy nahavita na inona na inona amin’izy ireo, ireo fahafinaretana izay nomena azy ireo.
Ary tsy mandringana tanàna Izahay raha tsy efa nisy ireo mpampitandrina ao aminy.
Ho fampahatsiahivana ity, ary Izahay dia tsy mba mpanao ny tsy rariny.
Ary tsy mba ireo satana no nidina niaraka tamin’ity (Kor’any ity).
Ary tsy mendrika ho azy ireo izany, no sady tsy manam-pahefana (amin’izany) izy ireo.
Satria izy ireo dia tena nohalavirina amin’ny fihainoana (ny hafatra masina).
Ka aoka ianao tsy hiantso Tompo hafa miaraka amin’I Allah, raha tsy izany dia ho anisan’ireo ho faizina ianao.
Ampidino ny elatrao (aoka ianao halemy fanahy) amin’ireo mpino izay manaraka anao.
Ary raha tsy mankatò anao izy ireo, dia teneno hoe : “Izaho dia mitsipaka izay ataonareo”.
Ary ankino amin’Ilay Tsitoha, Ilay be Indrafo ny fitokisanao.
Midina amin’izay rehetra be famoronan-dainga sy be fahotana izy ireo.
Mampandry sofina izy ireo nefa ny ankamaroan’izy ireo dia mpandainga avokoa.
Fa ireo mpanao tononkalo kosa, dia manaraka azy ireo avy izay very lalana.
Share