قُلْ أَطِيعُوا۟ ٱللَّهَ وَأَطِيعُوا۟ ٱلرَّسُولَ ۖ فَإِن تَوَلَّوْا۟ فَإِنَّمَا عَلَيْهِ مَا حُمِّلَ وَعَلَيْكُم مَّا حُمِّلْتُمْ ۖ وَإِن تُطِيعُوهُ تَهْتَدُوا۟ ۚ وَمَا عَلَى ٱلرَّسُولِ إِلَّا ٱلْبَلَٰغُ ٱلْمُبِينُ ﴿٥٤﴾
Teneno hoe : “Ankatoavinareo I Allah, ary ankatoavinareo koa ny Irany, raha mitodi-damosina izy ireo, dia tsy tompon’andraikitra izy afa-tsy izay nankinina taminy, ary ianareo dia tsy tompon’andraikitra afa-tsy izay nankinina taminareo. Ary raha mankato azy ianareo, dia voatarika (tsara) ianareo”. Tsy inona akory ny (andraikitra) ny Iraka afa-tsy ny fampielezana tena mazava tsara (ny hafatra).