Surah An-Noor ( The Light ) - Aya 35

Surah An-Noor ( The Light ) - Malagasy - Aya 35 Aya count 64

۞ ٱللَّهُ نُورُ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلْأَرْضِ ۚ مَثَلُ نُورِهِۦ كَمِشْكَوٰةٍۢ فِيهَا مِصْبَاحٌ ۖ ٱلْمِصْبَاحُ فِى زُجَاجَةٍ ۖ ٱلزُّجَاجَةُ كَأَنَّهَا كَوْكَبٌۭ دُرِّىٌّۭ يُوقَدُ مِن شَجَرَةٍۢ مُّبَٰرَكَةٍۢ زَيْتُونَةٍۢ لَّا شَرْقِيَّةٍۢ وَلَا غَرْبِيَّةٍۢ يَكَادُ زَيْتُهَا يُضِىٓءُ وَلَوْ لَمْ تَمْسَسْهُ نَارٌۭ ۚ نُّورٌ عَلَىٰ نُورٍۢ ۗ يَهْدِى ٱللَّهُ لِنُورِهِۦ مَن يَشَآءُ ۚ وَيَضْرِبُ ٱللَّهُ ٱلْأَمْثَٰلَ لِلنَّاسِ ۗ وَٱللَّهُ بِكُلِّ شَىْءٍ عَلِيمٌۭ ﴿٣٥﴾
Allah no fahazavan’ireo lanitra sy ny tany. Ny fahazavany dia mitovy amin’ny lavaka amin’ny vatan-drindrina izay misy jiro, ny jiro dia ao anatin’ny fitaratra, ary ny fitaratra dia tahaka ny kintana tena mamirapiratra mirehitra avy amin’ny hazo feno fahasoavana : hazon’oliva, sady tsy avy any antsinanana no tsy avy any andrefana, ka ny menaka avy aminy dia toa manazava, na dia tsy nokasihan’ny afo aza. Hazavana ambonin’ny hazavana. Allah dia mitari-dalana izay sitrany mankany amin’ny hazavany. I Allah dia manome ireo fanoharana ho an’ny olombelona. Ary mahalala ny zava-drehetra I Allah.
Share