Amin’ny andro izay hahitanareo izany, ny vehivavy mampinono rehetra dia hanadino (ny zanany) izay hampinonoiny, ary ny vehivavy bevohoka dia ho afa-jaza (tsy fidiny). Ary hahita ny olona ho mamo ianao nefa izy ireo tsy mamo fa ny famaizan'I Allah dia mahery vaika tokoa.
Ry olombelona, raha manana fisalasalana ianareo mahakasika ny Fitsanganana,tena marina, fa Izahay no nahary anareo avy amin’ny tany, avy eo amin’ny alalan’ny ranon'aina, avy eo amin’ny vaingan-drà, avy eo amin’ny vainga-nofo izay manana endrika na tsy manana endrika, mba hanazavanay aminareo . Ary apetrakay ao anatin’ny vohoka izay sitrakay, mandritran'ny fotoana voafetra. Ary avoakanay ho zazakely ianareo sy mba hahatratraranareo ny fahanterana. Ary misy aminareo ny maty (tanora), ary misy aminareo koa ny tratra antitra, ka lasa tsy mahatadidy izay fantany teo aloha. Ary hahita ny tany karakaina ianao, nefa raha vao handatsahanay rano izany, dia mihetsika sy mibontsina izy, ary mampitsiry avy (aminy) ireo karazan-java-maniry tsiroaroa (lahy sy vavy) mahafinaritra.
Maneho ny fireharehany izy mba hamiliany hiala ny lalan’I Allah. Ho azy ny fahafaham-baraka eto an-tany, ary hampanandraminay azy ny famaizana amin’ny Afobe amin’ny Andro Fitsanganana .
Marina fa I Allah no mampiditra ireo izay mino sy ireo izay manao asa soa ao amin’ny Paradisa, izay misy renirano mikoriana ao ambaniny. Marina fa I Allah dia manao izay tiany.
Izay mihevitra fa tsy hamonjy azy I Allah ety an-tany sy any ankoatra, aoka izy hanantona tady eny an-danitra (eo amin’ny tafotranony), avy eo hananton-tenda eny izy ; aoka ho tapahiny izany, ka jereo raha toa ka nahavita nanafoana ny zavatra nahatezitra azy ny tetika nataony.
Ireo izay nino, ireo jiosy, ireo Sabeana, ireo kristiana, ireo mpanompo afo ary ireo mpanompo sampy. Allah dia hampisaraka azy ireo tokoa amin’ny Andro Fitsanganana. Tena marina fa Allah dia vavolombelona amin’ny zava-drehetra.
Moa va tsy hitanao fa tena miankohoka amin’I Allah avokoa izay rehetra eny amin’ireo lanitra sy ety an-tany, ny masoandro, ny volana, ny kintana, ny tendrombohitra, ny hazo, ny biby, ary ireo olona maro ? Fa maro ihany koa ny sazy mendrika ho azy ireo. N'iza n'iza ahetrin’I Allah, dia tsy misy hanome haja azy intsony. Tena marina fa I Allah dia manao izay tiany.
Indro mpifanandrina roa mifanditra ny mahakasika ny Tompon’izy ireo. Ho an’ireo izay tsy mino dia ho didìna ho azy ireo ny fitafy avy amin’ny afo, handrarahana rano mangotraka eo an-tampon-dohany.
Isaky ny te-hivoaka avy ao izy ireo, noho ny fahoriana, dia haverina ao indray (ka ho tenenina amin’izy ireo hoe) :“Andramonareo ny famaizan’ny Afobe mivaivay”.
Marina fa I Allah dia hampiditra ireo izay nino sy nanao asa soa ao amin’ny Paradisa izay misy renirano mikoriana eo ambaniny. Hampihaigoina amin’ny firavaka volamena, sy vatosoa izy ireo ao anatin’izany, ary ny fitafin’izy ireo ao dia lamba landy.
Fa ireo izay tsy mino sy misakana ny lalan’I Allah kosa ary ny toeram-pivavahana masina izay nataonay ho an’olona, na ho an’ireo tompon-toerana ao, na ho an’ireo mpivahiny ka n'iza n'iza mitady hanao ratsy ao, amin’ny tsy rariny, dia hampanandramanay azy ny sazy mangirifiry.
Ary raha natoronay an’i Abrahama ny toeran’ny Trano : ”Aza akambanao amin’ny hafa Aho ; ary diovy ny tranoko ho an’ireo mpihodidina, sy ho an’ireo mpitsangana, ary ho an’ireo mpiondrika mpiankohoka.
Antsoy ny olona ho amin’ny fivahinianana masina. Fa ho tonga eo aminao izy ireo, am-pandehanana an-tongotra sy amin’ny alalan’ny biby fitaingina, izay avy amin’ny lalana lavitra rehetra.
(Aoka ianareo) hadio fò amin’I Allah, tsy ho mpampikambana Azy amin’ny hafa ; fa n'iza n'iza manompo sampy, dia tahaka ny mianjera avy eny an-danitra, ka mifaoka azy ny vorona na ny rivotra manipy azy any amin’ny toerana lavitra dia lavitra.
Ary ny vahoaka tsirairay dia nomenay fomba fanaovana sorona, mba hanononan’izy ireo ny anaran’I Allah amin’ny anjara nomena azy ireo amin’ny biby fiompy. Ka ny zanaharinareo dia Zanahary tokana ihany, ka atolory Azy ny fanetrehan-tena, ary ilazao vaovao mahafaly ireo mpanetri-tena.
Ary ireo rameva, dia nataonay ho anisan’ny zava-manan-kasin’I Allah ho anareo. Misy fahasoavana ho anareo amin’izany. Ary tononinareo amin’izy ireo ny anaran’I Allah rehefa voafatotra tsara izy ireo. Ary rehefa maty izy ireo dia mihinàna amin’izany ianareo, ary ampisakafoano ny mahantra, mpionona tsy mitalaho sy ireo mahantra mitalaho. Tahaka izany no nanaovanay azy ireo ho anareo, angamba hankasitraka ianareo.
Samy tsy ho tonga any amin’I Allah mihitsy na ny nofony na ny ràny, fa ny fatahoranareo no ho tonga any Aminy. Tahaka izany no nanaovany azy ireo ho anareo mba hideranareo ny halehiben’I Allah, satria Izy no nitarika anareo tamin’ny lala-mahitsy. Ary ilazao vaovao mahafaly ireo mpanao asa soa.
Nomena alalana ireo izay voatafika (hiaro-tena), satria tena marina fa niharan’ny tsy rariny izy ireo, ary marina fa I Allah dia afaka mamonjy azy ireo.
Ireo izay noroahina teo amin'ny fonenany, tamin'ny tsy rariny, satria niteny izy ireo hoe :\"Allah no Tomponay\". Raha tsy nampifandroahin'i Allah ny olona, dia nofoanana ny fitokana-monina amin'ireo trano fiankohofana izay iantsoana matetika ny anaran'i Allah. Hamafisina, fa manohana izay manohana Azy i Allah. Fa Matanjaka sy Tsitoha i Allah.
Ireo izay efa nomenay fahefana teto ambonin’ny tany dia nanatanteraka ny fivavahana izy ireo, namoaka ny ampahan-karena, ary nandidy ny tsara sy nandrara tamin’ny ratsy. Tena marina fa any amin'I Allah ny fiafaran’ny zava-drehetra.
Sy ireo vahoakan’ny Mad'yna, ary voapanga ho lainga ihany koa i Mosesy. Ka nomeko fe-potoana ireo tsy mpino; avy eo dia noraisiko izy ireo. Ka nanao ahoana ny fanakianako azy ireo !
Tsy mivezivezy maneran-tany ve izy ireo, mba hananany fo hisainany amin'ny alalan'izany, na sofina mba handre amin'ny alalan'izany ? Satria izany dia tsy manajamba ny maso akory, fa manajamba ny fo izay ao an-tratra.
Ary hangataka aminao ny hanafainganana ny famaizana izy ireo; kanefa tsy mba mivadika na oviana na oviana amin’ny fampanantenany I Allah. Marina fa ny andro iray eo anatrehan’ny Tomponao dia toy ny arivo taona araka ny fomba fanisanareo.
Izahay dia tsy nandefa iraka na mpaminany teo alohanao afa-tsy hoe maniry zavatra iray (famakiana ny Boky) izy nefa mampiditra fandrebirebena amin’ny zavatra vakin'ny Satana ! Avy eo dia foanan’i Allah izay alefan’ny Satana. Ary nohamafisin’i Allah ireo fanambarany. Allah dia Mahalala ny zava-drehetra sy Hendry.
Ny fandrebireben’ny Satana dia nataony (Allah) mba ho fitsapana ho an’ireo izay misy aretina ao am-pony sy ireo izay mafy fo (manana fisalasalana na fihatsarambelatsihy)... Marina fa ireo izay mpanao ny tsy rariny dia ao anaty fisaraham-bazana tanteraka.
Fa ho an’ireo izay nomena fahalalana kosa, dia nataony (izany) mba hahalalany fa fahamarinana avy amin’ny Tomponao izany, koa aoka hino izany izy ireo, ary aoka ny fon’izy ireo hanetry tena Aminy tanteraka. Tena marina fa Allah dia mpitarika ireo izay mino amin’ny lala-mahitsy.
Ary ireo izay tsy mino dia mijanona hatrany ao amin’ny fisalasalana, mandra-pahatongan’ilay ora tampoka amin’izy ireo, na koa ny famaizana amin’ny andro izay tsy hisy intsony ny famokarana.
Amin’izany andro izany, ny fanjakana dia an’I Allah. Izy no hitsara azy ireo. Fa ireo izay nino sy nanao asa soa, dia ho ao amin’ny zaridain’ny fahafinaretana.
Ary ireo izay nifindra-monina amin’ny lalan’I Allah, ka novonoina, na koa maty, dia tsy maintsy omen’I Allah azy ireo ny anjara mendrika indrindra. Marina fa Allah no mendrika indrindra amin’ireo mpanome ny anjara.
Izany tokoa ! N'iza n'iza manasazy tahaka izay nanasaziana azy, avy eo niharan’ny vali-faty indray ; Allah dia tsy maintsy hamonjy azy. Marina fa Allah dia Mpandefitra, Mpamela heloka.
Araka izany, Allah dia mampiditra ny alina ao amin’ny atoandro ary mampiditra ny andro ao amin’ny alina, ary Allah dia Maheno sy Mahita ny zava-drehetra.
Moa ve tsy hitanao fa Allah no nampidina ny rano avy any an-danitra, ka lasa maitso tsara ny tany ? Allah dia Ilay Mpangoraka sy Mahafantatra ny zava-drehetra.
Moa ve tsy hitanao fa Allah no nametraka ho eo ambany fahefanareo izay rehetra eto an-tany ary koa ny sambo izay misosa eny ambonin’ny ranomasina araka ny didiny ? Ary Izy no mitazona ny lanitra mba tsy hianjera amin’ny tany, raha tsy hoe sitrany izany. Marina fa Allah dia tena Mpitsimbina sy be Fiantrana amin’ny olombelona.
Ary Izy no manome anareo ny fiainana, ary manala ny ainareo, avy eo dia Izy no hamelona anareo indray. Tena marina fa ny olombelona dia mihizingizina ao anatin’ny tsy fankatoavana.
Moa ve tsy fantatrao fa Allah tokoa no mahalala izay any an-danitra sy ety an-tany ? Izany rehetra izany dia voarakitra ao anatin'ny Boky, ary tena mora tokoa amin’I Allah izany.
Ry olombelona, misy fanoharana, koa henoinareo izany :” Marina fa ireo izay italahoanareo ankoatr’I Allah, dia tsy afaka hihary na dia ny lalitra iray aza, na dia hitambatra aza izy ireo amin’izany. Ary raha misy zavatra nendahan’ny lalitra teny amin’izy ireo, dia tsy afaka hanavotra izany avy aminy izy ireo. Eny, malemy tokoa ny mpangataka sy izay angatahana !
Ary miadia ho an’I Allah amin’ny ezaka tena mendrika ho Azy ianareo. Izy no nifidy anareo, ary tsy nataony hisy fahasarotana ho anareo akory ao anatin’ny finoana, foto-pinoan’ny raibenareo Abrahama. Izy no nanome anareo anarana hoe : «mpanetry tena» tany aloha sy amin’izao, mba ho vavolombelona eo anatrehanareo ny iraka ary mba ho vavolombelona eo anatrehan’ny olombelona ihany koa ianareo. Ka tanterahanareo àry ny Soalat ary mamoàha Zakat, ary koa mifikira mafy amin’I Allah ianareo. Endre izany Mpiahy tsara sy Mpamonjy mendrika !