Surah Al-Baqarah ( The Cow ) - Aya 85

Surah Al-Baqarah ( The Cow ) - Malagasy - Aya 85 Aya count 286

ثُمَّ أَنتُمْ هَٰٓؤُلَآءِ تَقْتُلُونَ أَنفُسَكُمْ وَتُخْرِجُونَ فَرِيقًۭا مِّنكُم مِّن دِيَٰرِهِمْ تَظَٰهَرُونَ عَلَيْهِم بِٱلْإِثْمِ وَٱلْعُدْوَٰنِ وَإِن يَأْتُوكُمْ أُسَٰرَىٰ تُفَٰدُوهُمْ وَهُوَ مُحَرَّمٌ عَلَيْكُمْ إِخْرَاجُهُمْ ۚ أَفَتُؤْمِنُونَ بِبَعْضِ ٱلْكِتَٰبِ وَتَكْفُرُونَ بِبَعْضٍۢ ۚ فَمَا جَزَآءُ مَن يَفْعَلُ ذَٰلِكَ مِنكُمْ إِلَّا خِزْىٌۭ فِى ٱلْحَيَوٰةِ ٱلدُّنْيَا ۖ وَيَوْمَ ٱلْقِيَٰمَةِ يُرَدُّونَ إِلَىٰٓ أَشَدِّ ٱلْعَذَابِ ۗ وَمَا ٱللَّهُ بِغَٰفِلٍ عَمَّا تَعْمَلُونَ ﴿٨٥﴾
Avy eo dia iny ianareo fa nifamono ary nandroaka avy tamin'ny fonenany ny sasany taminareo; ka niara-nifarimbona tamin'ny fahavalo mihitsy ianareo nanao fahotana sy ny tsy rariny niady azy ireo. Ary raha babo (ny fahavalo) izy ireo ka tonga aminareo dia aloanareo ny vidim-panavotana ho azy ireo; nefa voarara taminareo ny fanaovana azy ireo sesitany. ka moa ve ianareo mino ny ampahany amin'ilay Boky nefa tsy mino ny ampahany hafa ? ! ka inona no valiny asetry izay manao izany aminareo afa-tsy ny fanalam-baraka (azy ireo) amin'ny fiainana eto an-tany; ary amin'ny Andron'ny fitsanganana amin'ny maty izy ireo dia alefa any amin'ny sazy tena henjana indrindra. ary Allah dia tsy variana mihitsy manoloana izay ataonareo.
Share