Surah Al-Baqarah ( The Cow ) - Aya 275

Surah Al-Baqarah ( The Cow ) - Malagasy - Aya 275 Aya count 286

ٱلَّذِينَ يَأْكُلُونَ ٱلرِّبَوٰا۟ لَا يَقُومُونَ إِلَّا كَمَا يَقُومُ ٱلَّذِى يَتَخَبَّطُهُ ٱلشَّيْطَٰنُ مِنَ ٱلْمَسِّ ۚ ذَٰلِكَ بِأَنَّهُمْ قَالُوٓا۟ إِنَّمَا ٱلْبَيْعُ مِثْلُ ٱلرِّبَوٰا۟ ۗ وَأَحَلَّ ٱللَّهُ ٱلْبَيْعَ وَحَرَّمَ ٱلرِّبَوٰا۟ ۚ فَمَن جَآءَهُۥ مَوْعِظَةٌۭ مِّن رَّبِّهِۦ فَٱنتَهَىٰ فَلَهُۥ مَا سَلَفَ وَأَمْرُهُۥٓ إِلَى ٱللَّهِ ۖ وَمَنْ عَادَ فَأُو۟لَٰٓئِكَ أَصْحَٰبُ ٱلنَّارِ ۖ هُمْ فِيهَا خَٰلِدُونَ ﴿٢٧٥﴾
Ireo izay mihinana ny zana-bola (ribà), dia tsy hitsangana amin’ny andro farany raha tsy tahaka ny hitsanganan’ny olona adala noho ny fifampikasohana tamin’i satana. Izany dia noho ny filazan’izy ireny hoe: “Tsy inona akory ny varotra fa sahala amin’ny fanjanaham-bola ihany”. Fa nataon’Allah ho ara-dalàna ny varotra, ary nataony ho voarara kosa ny fanjanaham-bola. Ka izay nahazo anatra avy amin’ny Tompony, dia nitsahatra tamin’izany, fa azy avokoa izay voahangony teo aloha; ary any amin’Allah ny momba azy. Fa izay mbola mifikitra amin’izany kosa, dia ireo indrindra no olon’ny Afobe izay hitoetra ao mandrakizay.
Share