Surah Al-Baqarah ( The Cow ) - Aya 26

Surah Al-Baqarah ( The Cow ) - Malagasy - Aya 26 Aya count 286

۞ إِنَّ ٱللَّهَ لَا يَسْتَحْىِۦٓ أَن يَضْرِبَ مَثَلًۭا مَّا بَعُوضَةًۭ فَمَا فَوْقَهَا ۚ فَأَمَّا ٱلَّذِينَ ءَامَنُوا۟ فَيَعْلَمُونَ أَنَّهُ ٱلْحَقُّ مِن رَّبِّهِمْ ۖ وَأَمَّا ٱلَّذِينَ كَفَرُوا۟ فَيَقُولُونَ مَاذَآ أَرَادَ ٱللَّهُ بِهَٰذَا مَثَلًۭا ۘ يُضِلُّ بِهِۦ كَثِيرًۭا وَيَهْدِى بِهِۦ كَثِيرًۭا ۚ وَمَا يُضِلُّ بِهِۦٓ إِلَّا ٱلْفَٰسِقِينَ ﴿٢٦﴾
Tena marina fa Allah dia tsy menatra amin’ny fanoharana izay ataony; na amin’ny moka izany, eny fa na izay kely noho izy aza; fa ireo mpino, dia mahafantatra tsara, fa fahamarinana avy amin’ny Tompony izany; ary ireo tsy mpino kosa, dia manontany tena hoe : “Inona no tian’Allah hahatongavana amin’izao fanoharana lazainy izao?”. Amin’izany àry dia ho maro ireo diso-làlana, ary amin’izany ihany koa no hitarihany ny olona maro amin’ny làla-marina, fa tsy hisy ho diso-làlana ny amin’izany afa-tsy ireo ratsy fanahy.
Share