Surah Al-Baqarah ( The Cow ) - Aya 253

Surah Al-Baqarah ( The Cow ) - Malagasy - Aya 253 Aya count 286

۞ تِلْكَ ٱلرُّسُلُ فَضَّلْنَا بَعْضَهُمْ عَلَىٰ بَعْضٍۢ ۘ مِّنْهُم مَّن كَلَّمَ ٱللَّهُ ۖ وَرَفَعَ بَعْضَهُمْ دَرَجَٰتٍۢ ۚ وَءَاتَيْنَا عِيسَى ٱبْنَ مَرْيَمَ ٱلْبَيِّنَٰتِ وَأَيَّدْنَٰهُ بِرُوحِ ٱلْقُدُسِ ۗ وَلَوْ شَآءَ ٱللَّهُ مَا ٱقْتَتَلَ ٱلَّذِينَ مِنۢ بَعْدِهِم مِّنۢ بَعْدِ مَا جَآءَتْهُمُ ٱلْبَيِّنَٰتُ وَلَٰكِنِ ٱخْتَلَفُوا۟ فَمِنْهُم مَّنْ ءَامَنَ وَمِنْهُم مَّن كَفَرَ ۚ وَلَوْ شَآءَ ٱللَّهُ مَا ٱقْتَتَلُوا۟ وَلَٰكِنَّ ٱللَّهَ يَفْعَلُ مَا يُرِيدُ ﴿٢٥٣﴾
Amin'ireny Iraka ireny, dia misy sasany nomenay tombom-pahasoavana mihoatra ny hafa. Misy amin'izy ireny no notenenin'i Allah mivantana ary misy sasany tamin'izy ireny nasandratany voninahitra ary nomenay porofo miharihary i Jesoa Zanakin'i Maria ary notohananay Izy tamin'ny fanahy masina. Ary raha sitrakan'i Allah dia tsy nifamono velively ireo Olona sasany taorian'izy ireo taorian'ny nahatongavan'ireo porofo teo Aminy, ka nefa dia nifanohitra izy ireo, ka ny sasany tamin'izy ireny nisafidy ny hino, ary ny sasany kosa dia nisafidy ny tsy hino ary raha sitrakan'i Allah dia tsy nifamono velively izy ireny, saingy i Allah no manao izay tiany.
Share