وَبَشِّرِ ٱلَّذِينَ ءَامَنُوا۟ وَعَمِلُوا۟ ٱلصَّٰلِحَٰتِ أَنَّ لَهُمْ جَنَّٰتٍۢ تَجْرِى مِن تَحْتِهَا ٱلْأَنْهَٰرُ ۖ كُلَّمَا رُزِقُوا۟ مِنْهَا مِن ثَمَرَةٍۢ رِّزْقًۭا ۙ قَالُوا۟ هَٰذَا ٱلَّذِى رُزِقْنَا مِن قَبْلُ ۖ وَأُتُوا۟ بِهِۦ مُتَشَٰبِهًۭا ۖ وَلَهُمْ فِيهَآ أَزْوَٰجٌۭ مُّطَهَّرَةٌۭ ۖ وَهُمْ فِيهَا خَٰلِدُونَ ﴿٢٥﴾
Ilazao ny vaovao mahafaly kosa ireo izay nino sy nanao asa soa fa azy ireo ny Paradisa izay ikorianan’ireo renirano isankarazany avy eo ambaniny; isaka ny handrosoana voankazo iray avy ao amin’ny Paradisa izy ireo dia hiloa-bava hoe : “Ity ilay naroso anay fahiny”. Kanefa dia zavatra mitovitovy amin’izay voalazany ihany no haroso azy; ary hanana vady kanto madio izy ireo, eny! Hitoetra ao mandrakizay izy.