Surah Al-Baqarah ( The Cow ) - Aya 249

Surah Al-Baqarah ( The Cow ) - Malagasy - Aya 249 Aya count 286

فَلَمَّا فَصَلَ طَالُوتُ بِٱلْجُنُودِ قَالَ إِنَّ ٱللَّهَ مُبْتَلِيكُم بِنَهَرٍۢ فَمَن شَرِبَ مِنْهُ فَلَيْسَ مِنِّى وَمَن لَّمْ يَطْعَمْهُ فَإِنَّهُۥ مِنِّىٓ إِلَّا مَنِ ٱغْتَرَفَ غُرْفَةًۢ بِيَدِهِۦ ۚ فَشَرِبُوا۟ مِنْهُ إِلَّا قَلِيلًۭا مِّنْهُمْ ۚ فَلَمَّا جَاوَزَهُۥ هُوَ وَٱلَّذِينَ ءَامَنُوا۟ مَعَهُۥ قَالُوا۟ لَا طَاقَةَ لَنَا ٱلْيَوْمَ بِجَالُوتَ وَجُنُودِهِۦ ۚ قَالَ ٱلَّذِينَ يَظُنُّونَ أَنَّهُم مُّلَٰقُوا۟ ٱللَّهِ كَم مِّن فِئَةٍۢ قَلِيلَةٍ غَلَبَتْ فِئَةًۭ كَثِيرَةًۢ بِإِذْنِ ٱللَّهِ ۗ وَٱللَّهُ مَعَ ٱلصَّٰبِرِينَ ﴿٢٤٩﴾
Koa, rehefa nivoaka ny tanàna, niaraka tamin’ireo miaramila i Talota (Mpanjaka) dia niteny izy hoe : “ Tena marina fa i Allah dia mitsapa anareo amin’ny renirano, ka izay misotro amin’izany dia tsy anisan’ny ho mpiara-dia amiko, ary izay tsy manandrana izany kosa dia tena anisan’ny ho mpiara-dia amiko, afa-tsy izay nanovo indray mandeha tamin’ny ati-tanany ”. ka nisotro izany avokoa izy ireo afa-tsy ny vitsivitsy taminy. ary rehefa nihoatra izany renirano izany izy sy ireo izay nino niaraka taminy, dia niteny hoe : ” tsy manan-kery izahay androany hanoherana an’i Jalota (Goliata) sy ny miaramilany ”.niteny kosa ireo izay resy lahatra fa tsy maintsy hifanena amin’i Allah hoe : “ Firifiry tamin’ny andian’olona vitsy no nandresy ireo andiany maro an’isa noho ny fahefan’ i Allah ! ary Allah dia miaraka amin’ireo manam-paharetana.
Share