Surah Al-Baqarah ( The Cow ) - Aya 246

Surah Al-Baqarah ( The Cow ) - Malagasy - Aya 246 Aya count 286

أَلَمْ تَرَ إِلَى ٱلْمَلَإِ مِنۢ بَنِىٓ إِسْرَٰٓءِيلَ مِنۢ بَعْدِ مُوسَىٰٓ إِذْ قَالُوا۟ لِنَبِىٍّۢ لَّهُمُ ٱبْعَثْ لَنَا مَلِكًۭا نُّقَٰتِلْ فِى سَبِيلِ ٱللَّهِ ۖ قَالَ هَلْ عَسَيْتُمْ إِن كُتِبَ عَلَيْكُمُ ٱلْقِتَالُ أَلَّا تُقَٰتِلُوا۟ ۖ قَالُوا۟ وَمَا لَنَآ أَلَّا نُقَٰتِلَ فِى سَبِيلِ ٱللَّهِ وَقَدْ أُخْرِجْنَا مِن دِيَٰرِنَا وَأَبْنَآئِنَا ۖ فَلَمَّا كُتِبَ عَلَيْهِمُ ٱلْقِتَالُ تَوَلَّوْا۟ إِلَّا قَلِيلًۭا مِّنْهُمْ ۗ وَٱللَّهُ عَلِيمٌۢ بِٱلظَّٰلِمِينَ ﴿٢٤٦﴾
Moa va tsy mba hitanao ny tantaran’ireo lohandohan’ny mpisorona, teo amin’ny zanak’Israely, taorian’i Moussa ka nilazan’izy ireo tamin’ny Mpaminaniny hoe: “Aoka ianao handefa mpanjaka ho anay, mba hitarika anay hiady amin’ny làlan’Allah”. Ka hoy izy namaly: “Moa va tsy handa ianareo raha toa ka mivoaka ny didy momba izany?”. Hoy indray izy ireo namaly : “Fa inona loatra no hahatonga anay tsy hiady amin’ny làlan’Allah, manoloana ny fandroahana anay teo amin’ny fonenanay, sy ireo zanakay?”. Saingy rehefa nodidiana izy ireo hiady, dia nitsoaka an-daharana avokoa afatsy vitsy an’isa monja tamin’izy ireo. Fa Allah dia Mahafantatra loatra ny amin’ireo mpanao ny tsy rariny.
Share