Surah Al-Baqarah ( The Cow ) - Aya 228

Surah Al-Baqarah ( The Cow ) - Malagasy - Aya 228 Aya count 286

وَٱلْمُطَلَّقَٰتُ يَتَرَبَّصْنَ بِأَنفُسِهِنَّ ثَلَٰثَةَ قُرُوٓءٍۢ ۚ وَلَا يَحِلُّ لَهُنَّ أَن يَكْتُمْنَ مَا خَلَقَ ٱللَّهُ فِىٓ أَرْحَامِهِنَّ إِن كُنَّ يُؤْمِنَّ بِٱللَّهِ وَٱلْيَوْمِ ٱلْءَاخِرِ ۚ وَبُعُولَتُهُنَّ أَحَقُّ بِرَدِّهِنَّ فِى ذَٰلِكَ إِنْ أَرَادُوٓا۟ إِصْلَٰحًۭا ۚ وَلَهُنَّ مِثْلُ ٱلَّذِى عَلَيْهِنَّ بِٱلْمَعْرُوفِ ۚ وَلِلرِّجَالِ عَلَيْهِنَّ دَرَجَةٌۭ ۗ وَٱللَّهُ عَزِيزٌ حَكِيمٌ ﴿٢٢٨﴾
Ary ireo vehivavy nisara-panambadiana dia tsy maintsy manaja (mipetraka tsy manambady mandritry) ny fadim-bolana telo, ary tsy azon’izy ireo atao ny manafina izay noforonin’i Allah ao anatin’ny tranon-janany raha tena mino tokoa an’i Allah sy ny andro farany izy ireo. ary ny lehilahy vadin'izy ireo dia manan-jò feno amin'ny famerenana azy ireo raha te-hifanaraka izy ireo. ary manan-jò izy ireo tahaka ny fisian’ny adidy miandry azy am-pahamendrehana (araka ny lalàna).fa ireo lehilahy kosa dia manana adidy amin’izy ireo. ary Allah dia mahery sy hendry.
Share