ثُمَّ يَوْمَ ٱلْقِيَٰمَةِ يُخْزِيهِمْ وَيَقُولُ أَيْنَ شُرَكَآءِىَ ٱلَّذِينَ كُنتُمْ تُشَٰٓقُّونَ فِيهِمْ ۚ قَالَ ٱلَّذِينَ أُوتُوا۟ ٱلْعِلْمَ إِنَّ ٱلْخِزْىَ ٱلْيَوْمَ وَٱلسُّوٓءَ عَلَى ٱلْكَٰفِرِينَ ﴿٢٧﴾
Ary amin’ny Andro Fitsanganana (amin’ny maty) dia ho alainy baraka izy ireo, ka hilaza Izy (amin’izy ireo) hanao hoe: “ Aiza Ireo mpiara-miombon’antoka Amiko izay nampisaraka Anareo ? ”.Hiteny ireo izay nahazo fahalalana ka hanao hoe : “ Ny fahafam-baraka sy ny loza dia mianjady amin’ireo tsy mpino androany ”