Surah Al-Hijr ( The Rocky Tract )

Surah Al-Hijr ( The Rocky Tract ) - Malagasy Aya count 99

(Amin'ny Andro fitsarana farany), ireo tsy mpino dia haniry ho mpanetry tena (mpankato).
Nefa Izahay dia tsy mandrava tanàna, raha tsy efa nisy raki-tsoratra voalaza mazava (momba izany).
Tsy misy vondron’Olona na iray aza afaka hampandroso na hampihemotra ny fe-potoany.
Ary niteny izy ireo (ireo mponin’ny Makka) ka nanao hoe : “ O Ianao izay nampidinana ny Fampahatsiahivana (Koro’âny), tena adala tokoa Ianao !
Nahoana Ianao no tsy tonga Taminay niaraka tamin’ireo Anjely, raha isan’ireo Olo-marina tokoa Ianao ? ”
Tsy mampidina ireo Anjely Izahay raha tsy miaraka amin’ny fahamarinana, ary tsy omena fe-potoana ela intsony izy ireo (ireo tsy mpino).
Tena marina fa Izahay tokoa no nampidina ny Fampahatsiahivana (Koro’âny), ary Izahay ihany no Mpiaro Azy.
Tahaka izany no nampidiranay ny tsy finoana tao am-pon’ireo mpanao heloka.
Tsy hino Azy izy ireo (Iraka na Koroâny), na dia tanteraka tamin’izy ireo ny fahitana izay (nanjò ny Razambeny) teo aloha.
Dia hiteny izy ireo hanao hoe : “ Tena tampina tokoa ny masonay, na, raha ny marina, dia tena voan’ny famosaviana izahay ”.
Marina fa nametraka ireo kintana maro eny an-danitra Izahay ary nohatsaraina izy (ny lanitra) ho an’ireo izay mijery azy.
Ary narovanay Izy (ny lanitra) tamin’i Satana tsirairay izay voahozona.
Raha tsy mihaino antsokosoko ny anakiray amin’izy ireo, dia lela afo mamirapiratra no manenjika Azy.
Fa ny tany kosa, dia novelarinay ka nametrahanay ireo tendrombohitra eo Aminy, ary nampitsirianay ao aminy ny zavatra tsirairay, mirindra no sady mifandanja tsara.
Ary napetrakay ao Aminy ireo zavatra hivelomanareo, sy ireo (zava-manan’aina) izay tsy novelominareo akory.
Ary marina fa tena manome ny fiainana sy ny fahafatesana Izahay, ary Izahay ihany koa no Mpandova (ny zava-drehetra).
Marina fa fantatray tokoa ireo izay efa lasa teo aloha Taminareo, ary efa fantatray koa Ireo izay mbola any aoriana.
Ary marina tokoa fa ny Tomponao no hamory azy ireo. Marina fa Izy dia be Fahendrena sy mahafantatra ny zava-drehetra.
Ary raha niteny tamin’ireo Anjely ny Tomponao ka nanao hoe : “ Izaho dia hamorona Olona avy amin’ny tany maina alaina avy amin’ny fotaka malemy.
Ary raha vao vitako amin’ny fomba mirindra tsara dia notsofiko Taminy ny fofon’aina avy Amiko, dia miantoraha ka miankohofa eo Aminy Ianareo.
Niteny Izy (Allah) ka nanao hoe : “ O ry Iblisy ! Nahoana Ianao no tsy mba anisan’ireo mpiankohoka ? ”
Namaly Izy ka nanao hoe : “ Tsy afaka hiankohoka eo anoloan’ny Olombelona izay noharianao avy tamin’ny tany maina izay nalaina avy tamin’ny fotaka malemy Aho ”.
Niteny Izy (Allah) ka nanao hoe : “ Mialà ao (amin’ny Paradisa) Ianao ! Fa Ianao dia tena voahozona.
Ary hihatra Aminao ny ozona, mandra-pahatongavan’ny Andron’ny famaliana (Fitsarana).
Namaly Izy ka nanao hoe : “ O ry Tompoko ! Omeo fe-potoana àry Aho mandra-pahatongavan’ny Andro izay hananganana azy ireo (ireo olombelona) amin’ny maty ”.
Niteny Izy (Allah) ka nanao hoe : “ Ianao dia tena anisan’ireo mahazo fanekena amin’izany fe-potoana izany.
Mandra-pahatongavan’ny fotoana efa fantatra (fantatr’i Allah) ”.
Niteny Izy (Iblisy) hoe : “ O ry Tompoko, satria Ianao nampiditra Ahy tamin’ny fahadisoana, noho izany dia ho hatsaraiko amin’izy ireo ny fiainana eny ambonin’ny tany, ary ho disoiko làlana izy rehetra.
Niteny Izy (Allah) hoe : “ Ity ilay làla-mahitsy izay mankany Amiko ”:
Ary tena marina fa ny Afobe Djahannama no toeram-pihaonan’izy rehetra.
Ahitana varavarana fito izany, ary ny varavarana tsirairay dia samy manana ny ampahany amin’izy ireo.
“ Midira ao Ianareo am-piadanana sy am-pilaminana ”.
Ary noesorinay tao an-tratran’izy ireo ny lolom-po ary samy ahatsapa izy ireo fa mpirahalahy, izay mifanatrika eo ambonin’ireo farafara.
Ampahafantaro ireo mpanompoko fa Izaho ilay Mpamela heloka, ilay be Fiantrana.
Ary ampahafantaro azy ireo ny mahakasika ireo vahinin’i Ibrahim (ireo Anjely).
Raha niditra tao aminy izy ireo ka nilaza nanao hoe : “ Fiadanana (salamo) ! Namaly Izy (Ibrahim) nanao hoe : “ Matahotra Anareo Izahay ! ”
Niteny izy ireo (ireo Anjely) ka nanao hoe : “ Aza matahotra Ianao ! Fa Izahay dia hanambara Aminao vaovao mahafaly, ny fahaterahan’ny Zazakely feno fahalalana ”.
Namaly izy hoe : “ Lazainareo ahy ve izany vaovao mahafaly izany nefa dia efa tratran’ny fahanterana aho? Inona àry no lazainareo amiko? ”
Niteny Izy Ireo ka nanao hoe : “ Ny marina no lazanay Aminao. Aoka àry Ianao tsy ho anisan’ireo mora kivy ”.
Niteny Izy hoe : “ Fa iza moa no kivy amin’ny famindram-pòn’ny Tompony, raha tsy ireo very làlana ? ”
Dia hoy Izy (Abrahama) ka nanao hoe : “ Inona àry no nanirahana Anareo, ry Iraka ? ”
Dia niteny Izy (Lota) ka nanao hoe : “ Ianareo dia Olona tsy fantatra ”.
Niteny Izy ireo ka nanao hoe : “ Tonga aty Aminao tokoa Izahay mitondra ny (sazy) izay nampisalasala azy ireo.
Ary tonga Aminao Izahay miaraka amin’ny Fahamarinana. Ary mpilaza ny marina Izahay.
“ Mandehana àry miaraka amin’ny fianakavianao Ianao amin’ny fahataperan’ny alina, ary araho avy ao aoriana izy ireo; ary aoka tsy hisy hitoditodika n'iza n'iza Aminareo; koa mandehana amin’izay handidiana Anareo Ianareo ”.
Ary nolazainay taminy izany didy izany : Fa ireny Olona ireny, amin’ny maraina, dia ho haringanay avokoa hatramin’ny farany.
Fa ireo mponin’ny tanàna ( Sodoma) dia tonga (teo aminy) ankafaliana.
Nilaza Izy (Lota) ka nanao hoe : “ Tena marina fa vahiniko izy ireo, aza manafitohina Ahy Ianareo
Ary matahora an’i Allah Ianareo. Aza tafihinareo henatra Aho.
Niteny izy ireo (ireo olon’ny tanàna) hoe : “ Moa ve tsy efa nandrara Anao Izahay tamin’ny (fandraisana) olona ? ”
Niteny Izy (Lota) ka nanao hoe : “ Indro ireo Zanako vavy ! Raha misy zavatra tianareo hatao !
Mianiana amin’ny fiainanao (Aho) fa nikorontan-tsaina izy ireo tao anaty firediredeny.
Ka dia ny kiakiaka (loza) no nahazo azy ireo tamin’ny fiposahan’ny masoandro.
Ary navadikay ambony sy ambany (ny tanàna), ary narotsakay nifanesisesy tamin’izy ireo (tahaka ny orana) ny vato avy amin’ny tany manga.
Izy io (io tanàna io) dia tena eo amin’ny làlana izay fantatry ny maro.
Ary ireo mponin’ny Al-Aykat dia mpanao ny tsy rariny (ihany koa).
Dia namaly azy ireo tamin’ny sazy Izahay, ary tena marina fa ireo (tanàna) Roa ireo dia teo amin’ny làlana mazava tsara.
Marina fa ireo mponin’ny Al-hijr dia efa nilaza fa mpandainga ireo Iraka.
Ary nasehonay tamin’izy ireo ny fahagagana avy Aminay nefa nitodi-damosina ihany izy ireo.
Ary nandavaka ny tendrombohitra mba hanaovana trano ka niaina tamim-pilaminana izy ireo.
Ka dia ny kiakiaka (loza) no nahazo azy ireo tamin’ny maraina.
Ary tsy nahary ireo lanitra sy ny tany sy izay nanelanelana azy Roa ireo Izahay raha tsy tamim-pahamarinana. Ary tena ho avy tokoa ny ora ! Koa aoka hamela heloka (azy ireo) Ianao amin’ny famelana tsara.
Tena marina fa ny Tomponao, dia ilay Mpahary Lehibe, ilay Mpahalala ny zava-drehetra.
Efa nomenay Anao tokoa “ Ireo Andininy fito[92] Averimberina (vakiana) ” ary koa ilay Vakiteny lehibe.
Aza jerena am-pitsiriritana ireo zavatra izay nanomezanay fifaliana miserana ho an’ireo mpivady sasantsasany amin’izy ireo. Ary aza malahelo ny momba azy ireo Ianao. Ary ampidino amin’ireo mpino ny fangorahanao.
Ary lazao hoe : “ Marina fa Izaho no ilay Mpampitandrina Miharihary ”.
Tahaka ny nampidinanay (ny sazy) tamin’ireo izay tsy nino (tsy hanaraka ny Mpaminany).
Ireo izay nanao ny Koroany ho singasingany maro (mikorontana mba hampisy ny fisalasalana).
Ary mianiana amin’ny Tomponao ! Fa Izahay dia tena hanontany azy rehetra
Asehoy ankarihary izay nandidiana Anao. Ary miataha amin’ireo mpanompo sampy (manana Zanahary maro) Ianao.
Marina fa Izahay dia hiaro Anao tanteraka amin’ireo mpaneso.
Ary tena fantatray tsara fa mihatery ny tratranao (fonao) amin’izay tenenin’izy ireo.
Ary derao sy ankalazao ny Tomponao, ary aoka Ianao ho anisan’ireo mpiankohoka.
Ary tompoy ny Tomponao mandra-pahatongan’ny fItokisana (fahafatesana) eo Aminao.
Share