Ary Izy no nampidadasika ny tany ka nametraka ireo tendrombohitra sy ireo renirano teo Aminy. Ary amin’ny karazam-bokatra tsirairay, dia nataony tsiroaroa misy ny lahy sy ny vavy; nataony andrakotra ny andro ny alina. Tena marina, fa izany tokoa no porofo ho an’ireo vahoaka misaina.
Ary raha misy mahagaga Anao, dia tsy misy tena mahagaga raha tsy ny fitenin’izy ireo manao hoe :“ Raha lasa vovoka Isika, moa hiverina amin’ny fahariana vaovao indray ve ? \" Izy ireny no tsy mino ny Tompon’izy ireo. Ary izy ireo no hitondra zioga eo am-bozony. Ary izy ireo no vahoakan’ny Afobe sy hitoetra ao mandrakizay.
Ary mangataka Aminareo izy ireo ny hanafainganana ny loza nohon'ny hasambarana. Marina fa nisy tokoa talohan’izy ireo, ireo sazy mitovy amin’izany. Marina fa ny Tomponao dia Tompon’ny famelan-keloka ho an’ny olombelona na dia eo aza ireo tsy rariny nataony. Marina fa ny Tomponao dia mafy sazy.
Allah dia mahafantatra izay entin’ny vavy tsirairay sy ny fotoana faharetan’ny vohoka : fohy na ho lava. Ny zava-drehetra eo aminy dia samy manana ny fetrany.
Izy (olombelona ) dia manana eo alohany sy aoriany (ireo Anjely) izay miaro sy manara-maso Azy araka ny didin’i Allah. Tena marina, fa i Allah dia tsy manova velively izay misy amin’ny vahoaka iray raha tsy efa izy ireo no (miezaka) manova izay misy eo amin’izy ireo. Ary raha te hanao ratsy amin’ny vahoaka iray Izy, dia tsy misy mahasakana Azy, fa tsy manana mpiaro ankoatra Azy izy ireo.
Any Aminy no hanolorana ny tena fangatahana marina ! Ary ireo izay mitalaho ankoatra Azy dia tsy hamaly azy ireo velively izy ireo, mitovy amin’izay mitsotra ny tànany anakiroa ao anaty rano mba hitondra izany any am-bavany, kanefa tsy nahazo na inona na inona mihitsy. Ny fitalahoan’ireo tsy mpino dia very maina.
Any amin’i Allah daholo no hiankohofan’ireo izay any amin’ireo lanitra sy ety ambony tany na mankatoa na mankahala,, ary koa ny alok’izy ireo, amin’ny fiandohan’ny andro sy ny fiafarany.
Teneno hoe :“ Iza no Tompon’ireo lanitra sy ny tany ? ” Teneno hoe :“ i Allah ” Teneno hoe :“ Moa ve handray mpiahy ankoatra Azy Ianareo, izay tsy manao na inona na inona amin’ny tenan’izy ireo na ny tsara na ny ratsy ? Teneno hoe : “ Mitovy ve ny jamba sy ny mahiratra ? Na mitovy ihany koa ve ny aizim-pito sy ny mazava ? Moa ve izy ireo nanao an’i Allah misy mpiara-miombon'antoka Aminy izay nahary, mitovy amin’ny nohariany (Allah), ka lasa nifangaro tamin’izy ireo ny zava-boary ? Teneno hoe : “ Allah no Mpahary ny zava-drehetra ary Izy ilay Tokana, ilay Mpifehy ambony indrindra ”.
Nampidina ny rano avy eny an-danitra izay mikoriana amin’ireny lohasaha ireny Izy araka ny habeny. Ary ny tondra-drano dia mitondra raotra izay mitsikafona, ary izay empoina amin’ny afo mba ahazoana firavaka sy fitaovana dia manome roatra mitovy amin’izany. Tahaka izany no hanoharan’i Allah ny marina sy ny diso : ny raotra (avy amin’ny riaka sy ny metaly) dia lasa entona, fa izay ilain’ny Olombelona kosa dia mijanona ety ambony tany (ny rano sy ireo firavaka). Tahaka izany no hanomezan’i Allah ireo fanoharana.
Ny mendrika indrindra (fiafarana) dia ho an’ireo izay namaly ny antson’ny Tompon’izy ireo. Fa ho an’ireo izay tsy namaly ny antso kosa, na dia nanana izay rehetra eny ambony tany izy ireo, sy mitovy amin’izany ny miaraka Aminy, dia hatolony ho onitra izany Izy ireny no hanana tatitra ratsy indrindra, ary ny Afobe no fialofan’izy ireo Tena fialofana ratsy indrindra izany !
Moa ve izay mahafantatra fa izay nampidinina Taminao avy amin’ny Tomponao dia ny fahamarinana, ka mitovy amin’izay jamba ? Ireo manan-tsaina irery ihany no mahatsapa izany,
Ary ireo izay maharitra amin’ny fikatsahana ny fankasitrahan’i Tompon’izy ireo, manatanteraka ny Soalat, sy mandany izay (fananana) nomenay azy ireo, ankihafina na ankarihary ary manohitra ny ratsy amin’ny tsara, ho azy ireo ny fonenana tsara any am-parany.
Allah dia mizara ankalalahana ny anjara fiainana ho an’izay sitrany ary mametraka izany. Ary izy ireo dia faly tamin’ny fiainana teto an-tany, ary tsy inona ny fiainana eto an-tany raha ampitaina amin’ny any an-koatra afa-tsy fahafinaretana miserana ihany.
Ireo izay nino, ka tony ny fon’izy ireo nohon’ny fahatsiarovana an’i Allah”. Moa ve tsy amin’ny alalan’ny fahatsiarovana an’i Allah no mahatony ny fo ?
Tahaka izany no nandefasanay Anao amin’ny vahoaka iray, izay efa nisy vahoaka maro nandalo teo alohan’izy ireo, mba hamakianao amin’izy ireo izay nambaranay Aminao (koroany), nefa izy ireo dia tsy nino an’ilay be Indrafo ka Teneno hoe : “ Izy no Tompoko, tsy misy Zanahary hafa afa-tsy Izy ihany, any Aminy no ametrahako ny fitokisako, ary any Aminy no ibebahako.
Ary raha misy Koroany avy amin’ny alalany, mampandeha ireo tendrombohitra, mampitriatra ny tany na mampiteny ireo maty !...Nefa tsy izany !... An’i Allah ny fahefana rehetra. Moa ve tsy very fanantenana ireo izay nino, fa raha sitrak’i Allah dia notarihiny amin’ny làla-mahitsy avokoa ny olombelona rehetra ? Nefa tsy mitsahatra hahavoa ireo izay tsy nino izay nataony, ary iharan’ny sazy mahery vaika, na ho azon’ny loza tsy lavitry ny fonenany mandrapahatongan’ny fampanantenan’i Allah. Marina fa i Allah dia tsy mivadika amin’ny fampanantenany.
Ho azy ireo ny sazy mahery vaika eto ambonin’ny tany. Ary ny famaizana any an-koatra dia tena mafy kokoa ary tsy hanana mpiaro Azy amin’i Allah izy ireo.
Toy izany ilay paradisa izay nampanantenaina an’ireo manam-patahorana, ary misy renirano maro mikoriana eo ambaniny, ny voankazony dia maharitra mandrakizay, ary tahaka izany koa ny alokalony. Tahaka izany no fiafaran’ireo izay manam-patahorana, fa ny fiafaran’ireo tsy mpino kosa dia ny Afobe.
Ary ireo izay efa nomenay ny Boky dia mifaly amin’izay nampidinina Taminao. Nefa misy andiany (olona maro) mankahala ny ampahany amin’izany. Teneno fa hoe : “ Tena marina fa nodidina Aho hanompo an’i Allah ary tsy hampikambana Azy amin’ny hafa, ary ho any Aminy no hiantsoako (olona). Ary any Aminy koa no hiverenako ”.
Tahaka izany no nampidinanay (Koroany) lalàna amin’ny fiteny Arabo. Ary raha manaraka ny sitrapon’izy ireo Ianao aorian’ny fahazoanao ny fahalalana dia tsy hanana mpiaro na mpiahy Ianao eo anatrehan’i Allah
Na hampahitanay Anao ny ampahany sasantsasany amin’izay nampitahorinay azy ireo, na hataonay ho maty Ianao (alohan’izany), ny adidinao dia mampita ny hafatra ihany, fa ny fitsarana kosa dia Anay.
Moa ve tsy hitan’izy ireo fa, mikapoka ny tany Izahay ka manakely izany amin’ny lafiny rehetra ? Ary i Allah no mitsara, ary tsy misy afaka manohitra ny fitsarany, fa haingana amin’ny fitsarana Izy.
Ary tena marina fa ireo teo alohan’izy ireo dia nanao teti-dratsy (tamin’ireo Irany), fa ny tetika rehetra dia an’i Allah avokoa. Fantany avokoa izay azon’ny Olona tsirairay. Ary ireo tsy mpino dia ahafantatra tsy ho ela izay hanana ny fonenana tsara (Any am-piafarana)