قَالُوا۟ يَٰلُوطُ إِنَّا رُسُلُ رَبِّكَ لَن يَصِلُوٓا۟ إِلَيْكَ ۖ فَأَسْرِ بِأَهْلِكَ بِقِطْعٍۢ مِّنَ ٱلَّيْلِ وَلَا يَلْتَفِتْ مِنكُمْ أَحَدٌ إِلَّا ٱمْرَأَتَكَ ۖ إِنَّهُۥ مُصِيبُهَا مَآ أَصَابَهُمْ ۚ إِنَّ مَوْعِدَهُمُ ٱلصُّبْحُ ۚ أَلَيْسَ ٱلصُّبْحُ بِقَرِيبٍۢ ﴿٨١﴾
Niteny izy ireo (Anjely) ka nanao hoe : “Ry Lota ! izahay dia Iraky ny Tomponao. Tsy ahatratra anao velively izy ireo, koa mandehana ianao miaraka amin’ny fianakavianao amin’ny ampaham-potoana amin’ny alina, ary dia aoka tsy hisy hitodika na dia ny iray aminareo afa-tsy ny vadinao, satria izay hanjo azy ireo dia hanjo azy ihany koa : “Tena marina fa ny fotoana omena azy ireo dia ny maraina vao mangiran-dratsy ka moa ve tsy efa akaiky tokoa ny maraina vao mangiran-dratsy? ”