Surah Hud - Aya 61

Surah Hud - Malagasy - Aya 61 Aya count 123

۞ وَإِلَىٰ ثَمُودَ أَخَاهُمْ صَٰلِحًۭا ۚ قَالَ يَٰقَوْمِ ٱعْبُدُوا۟ ٱللَّهَ مَا لَكُم مِّنْ إِلَٰهٍ غَيْرُهُۥ ۖ هُوَ أَنشَأَكُم مِّنَ ٱلْأَرْضِ وَٱسْتَعْمَرَكُمْ فِيهَا فَٱسْتَغْفِرُوهُ ثُمَّ تُوبُوٓا۟ إِلَيْهِ ۚ إِنَّ رَبِّى قَرِيبٌۭ مُّجِيبٌۭ ﴿٦١﴾
Ary (nalefanay) tamin’ireo foko Samody, ny ralahin’izy ireo Soalihy, izay nilaza ka nanao hoe : \" Oh ry vahoakako ! tompoinareo i Allah. Tsy manana Zanahary hafa afa-tsy Izy ihany ianareo. Avy tamin’ny tany no nahariany Anareo, ary nataony ho nameno izany (tany) Ianareo. Koa mangataha famelan-keloka Aminy àry Ianareo, avy eo dia mibebaha Aminy Ihany koa. Tena marina fa ny Tompoko dia akaiky, ary mamaly lalandava ny hataka.
Share