وَقِيلَ يَٰٓأَرْضُ ٱبْلَعِى مَآءَكِ وَيَٰسَمَآءُ أَقْلِعِى وَغِيضَ ٱلْمَآءُ وَقُضِىَ ٱلْأَمْرُ وَٱسْتَوَتْ عَلَى ٱلْجُودِىِّ ۖ وَقِيلَ بُعْدًۭا لِّلْقَوْمِ ٱلظَّٰلِمِينَ ﴿٤٤﴾
. Ary toy izao no voalaza : \" Oh ry tany ! tsetsefo ny ranonao, ary ianao ry lanitra, mijanona amin’izay ”. Ka nihemotra ny rano. Fa tanteraka ny didy, ary nipetraka teo ambonin’ny al-jodii (anaran’ny tendrombohitra) ilay sambo fiara, ary nisy nilaza nanao hoe : \" Enga anie hanjavona avokoa ireo vahoaka mpanao ny tsy rariny ! ”