قَالَ سَـَٔاوِىٓ إِلَىٰ جَبَلٍۢ يَعْصِمُنِى مِنَ ٱلْمَآءِ ۚ قَالَ لَا عَاصِمَ ٱلْيَوْمَ مِنْ أَمْرِ ٱللَّهِ إِلَّا مَن رَّحِمَ ۚ وَحَالَ بَيْنَهُمَا ٱلْمَوْجُ فَكَانَ مِنَ ٱلْمُغْرَقِينَ ﴿٤٣﴾
Namaly izy ka nanao hoe : \"Handeha hialoka amin’ny tendrombohitra iray aho, izay hiaro ahy amin’ny rano”. Namaly azy i Noa (A.S) hoe : \"Anio dia tsy misy mpiaro afaka manakana ny didin’i Allah afa-tsy izay nomeny famindram-po ihany”. Ary nanafotra teo anelanelan’izy roa ny onja, ary izy dia anisan’ireo rendrika.