Mianiana Aho amin'ireo soavaly haingam-pandeha misefosefo.
Ary mamoaka pitik'afo avy amin'ny fidoboky ny kitrony.
Manafika tampoka amin'ny andro vao maraina.
Sy mampitora-jofo ny vovoka.
ary miditra eo afovoan'ny fahavalon'izy ireo.
Tena marina, ny olombelona dia mpaniratsira ny Tompony.
Kanefa izy dia tena vavolombelona tokoa ny amin'izany.
Ary fatra-pitia mafy ihany koa ny harena.
Moa va tsy ho fantany rehefa hifokatra ireo izay ao am-pasana.
Ary haseho miharihary izay rehetra nokobonin'ny fo.
Tena marina; ny Tompon'izy ireo amin'izany andro izany dia Mahalala tsara ny momba azy ireo.